Politique

Sabotsy 19 febroary 2011 Hisy andiana miaramila hiaro an’i Dada !


  • Zoma 18 Febroary 2011

Vondrona iray tsy mivaky ny Tafika ary izay hatrany ihany koa ny filamatra nipetraka hatramin’izay.

Filamatra ihany izany satria ny tantara no nitsara fa nisy hatrany ny tsy fitovian-kevitra eo anivon’ny Tafika ary nisy ihany koa ny fifampisamborana na ny fifandrahonana an-kolaka. Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa misy andiana miaramila izay niray tendro ka nilaza fa tsy hanaiky ny korontana izay mety hitranga rahampitso sabotsy. Korontana izay efa fantatra ny hanao azy ary efa fantatra ihany koa ny nanangona an’ireo bokonozatra, izay nisy navondrona tany Mantasoa tany nomena toromarika, sy andian’olona omena zava-mahadomelina mba hitsofoka ao anatin’ny zanak’i Dada ka hanakorontana. Avy eo dia entina hisamborana ireo mpitari-tolona izany, toa izay fomba efa niverimberina teto ihany.

Fantatry ny mpitandro ny filaminana izany satria manana ny mpitsikilony ireo. Fantatr’izy ireo ihany koa ny fisian’ny fanangonana olona etsy sy eroa. Ao anefa ny mody fanina sy manara-drenirano fotsiny. Ireo izay resy lahatra kosa fa politika maloto no tetehin’ny sasany hatao dia mikasa ny hanohitra an’izany fomba ratsy izany. Omaly moa dia efa hita taratra ny fikoropahan’ny FAT izay nanambitamby haingana ny foloalindahy amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana an’ireo. Dia heveriny ve fa voavidy amin’ny kiraro mitovy sy ny satroka mitovy ny miaramila izay efa tonga saina fa lalaoviny fotsiny mba hitazomany ny sezany ?

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT