Omaly dia tonga teny amin'ny toby miaramila RTS Soanierana ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien. Tonga hizara ireo fanamiana nomen'ny filohan'ny FAT izy, araka ny nolazainy teny an-toerana. Fa nahagaga ny maro ny tsy nahatao ny Cemgam ny
jeneraly Ndriarijaona André. Ny lanonana dia natao tany amin'ny toby miaramila kanefa ny lehiben'ny Etamazaoro indray no tsy nanatrika. Ny zava-nitranga omaly teny amin'ny RAS tamin'ny tsy fahatongavan'ny Cemgam teny an-toerana dia toa manamarina indray fa tsy mitovy hevitra mba tsy hilazana fa misy olana mihitsy eo amin'ireto tompon'andraikitra roa ireto. Isaky ny misy fanapahana mantsy eo anivon'ny Tafika dia fantatra, araka ny tsiliantsofina, fa mifanohitra hatrany ny hevitry ny Cemgam sy ny minisitra. Mikasika ny resabe nandeha mikasika ireo vola alaina amin'ny karaman'ny miaramila mba hahazoana ireo fanamiana omena maimaimpoana avy amin'ny filohan'ny FAT dia nilaza ny minisitra fa lainga izany. Maro amin'ireo miaramila anefa no nahamarika fa nakana ny vatakaraman'izy ireo. Vokany misavorovoro ireo miaramila any anaty toby satria tsy manaiky io fakana vola amin'ny karaman'izy ireo io.
Rakoto Maxime
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.