«Tsy ekeko ny tsy famelana ahy haneho hevitra sy mandefa ny akon’ny fitsidiham-paritany ataoko amin’ny onjam-peom-pirenena sy fahitalavi-panjakana. Tamin’ny Fihavanana Tour natao tany Antsiranana sy Mahajanga mantsy dia nosakanana tsy azo nalefa tao amin’ny RMN/TVM ny vaovao nentinay avy any». Izay no nambaran’i Roland Ratsiraka, filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) sady filoha lefitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, nandritra ny fihaonana politika nanasany olona notsongaina nidinika momba ny raharaham-pirenena tao amin’ny trano fandraisam-bahiny Le Neptune ny faran’ny herinandro teo. Fantatra nandritra izany koa fa «misy olona iray izay (tsy nanonona anarana izy), izay tsy hitako izay hidirany amin’ny raharahan’ny TVM/RNM, nefa io olona io no mibaiko ny azo alefa sy ny tsy azo alefa ao».
Nomarihiny koa fa «fanovana hisian’ny demokrasia sy ny fahalalahana miteny no nitolomana ny taona 2009, nefa tsy mbola maina akory ny ravina nihinanana, dia efa miverina sahady ny sakana sy ny fanampenam-bava ny hafa eo anivon’ny haino amanjerim-panjakana izay an’ny Malagasy rehetra ary ampiasain’ny andrim-panjakana hampitan-kevitra». Raha izay izany no izy, dia efa misy hevitra tsy mitovy sy fifanilihana eo anivon’ny samy FAT, ka ireo atahorana sy ahiahiana na koa manelingelina dia iharan’ny fanilikilihana. Nilaza i Roland Ratsiraka fa firenena milamina sy fifidianana vita hatramin’ny farany ary repoblika faha-04 mijoro sy miasa ary mitondra fanovana no tanjona, ka “raha hitako fa tsy manaraka ny politika napetraka sy ny filozofian’ny MTS ny raharaha, dia ny lalanay no izoranay,” hoy izy.
Sary : Roland Ratsiraka, filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.