«Variana amin’ny resaka politika sy ny tahotra ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana ny fanjakana, ka adinony avokoa ireo traboina dimy alina mahery nateraky ny rivodoza Bingiza iny. Tsy lohalaharana amin’ny governemanta mihitsy ny sosialim-bahoaka sy ny fijalian’ny Malagasy».
Izay no anisan’ny nambaran’i Roland Ratsiraka, filoha nasionalin’ny antoko MTS sady filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, nandritra ny fihaonany tamin’ireo «cadres» sy olo-maventy tao Toamasina tao amin’ny Neptune ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izay no nanambarany fa hisy ny fitia tsy mba hetra hifanaovan’ny samy Malagasy ao Toamasina hanampiana ireo traboina ao Ambatosoa misy ny distrikan’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra iny. Voaresaka tao koa ny raharaham-pirenena sy ny politikan’ny MTS manokana, ka nilazan’i Roland Ratsiraka fa «mifantoka amin’ny hoavy ny politika tokony hatao manomboka izao.
Izany dia ateraky ny fanaovan-tsonia ilay sori-dalana nataon’ny SADC miandry fankatoavan’ireo vondrona politika misy eto. Noho izay indrindra no mahatonga ny MTS manao ilay ‘Fiavanana Tour’, araka ny nambarany, izay natomboka tao Mahajanga, notohizana tao Antsiranana ary ho an’i Fianarantsoa sy Toliary ny volana martsa sy aprily, izay hofaranana ao Toamasina sy Antananarivo ny volana mey. Amin’i Roland Ratsiraka, raha toa ka roa volana no tokony ho mametra-pialana ny filohan’ny FAT raha hilatsaka hofidiana filohan’ny Repoblika araka voalazan’ny sori-dalana SADC, mihevitra kosa ny MTS tarihiny fa tokony ho efa-bolana mialoha izany, raha mangataka ny enim-bolana ny sehatra plitika hafa. Ankoatra izay, dia fantatra koa izao fa hihazo an’i Lafrantsa ny filohan’ny MTS ny fiandohan’ny volana martsa izao, ary hihazo firenena afrikanina iray, izay tsy mboa nambarany, ao anatin’izay diany izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.