Politique

Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana Hiverina eny Anosy anio


  • Alakamisy 26 Mey 2011

Hiverina eny Anosy ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana amin’ity anio ity.

 Anio maraina izy ireo dia efa hifamotoana eny an-toerana, araka ny fanazavan’ireo mpitarika. Herinandro lasa izay dia nisy ny taratasy naterin’izy ireo tao amin’ny Fitsarana mitaky ny hamoahana ireo gadra politika rehetra na sivily na miaramila, sy mampilaza ny hampitsaharana ny fanenjehana sy fisamborana olona noho ny tsanga-keviny. Nanateran’ny Rodobe taratasy koa ny Rnm sy Tvm mitaky ny hanalalahana ny haino amanjerim-panjakana hahazoan’ny rehetra maneho hevitra ao. “Haka valin-teny mikasika ireo no anton-dia eny Anosy”, araka ny fanazavan’ireo mpitarika hatrany, izay nanamafy fa “ny Profesora Zafy Albert mihitsy no ho avy eo Anosy” anio maraina. Fa omaly alarobia 25 mey, dia tonga nanatitra taratasy teny amin’ny masoivohon’i Chine eny Nanisana ny Rodobe. Sokajian’ity farany ho anisan’ireo firenena manampy ara-pitaovana ny miaramila Malagasy ity firenena ity ; fitaovana natao hiadiana amin’ny asan-jiolahy nefa dia nampiasaina hanaovana herim-pamoretana ny vahoaka manao fitakiana am-pilaminana, indrindra ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana, indray izy ireny. Taratasy roa pejy ary voasonian’ny Dr Emmanuel Rakotovahiny izay nitarika teny Nanisana, no naterina.

Mampahatsiahy ao ny Rodobe fa tsy manana fototra ijoroana ara-dalàna ny fitondrana misy amin’izao nefa ny mpitondra dia miziriziry tsy mety hiroso amin’ny fametrahana tetezamita iaraha-mitantana. Mampananosarotra izany rahateo ny fisian’ireo firenena vitsivitsy miara-miasa aminy. Hany ka raha tokony ho fampandehanan-draharaha no ataon’ny tetezamita dia manao fifanarahana amina orinasa lehibe vahiny samihafa ary koa manome asa tolobotsotra, nefa tsy andraikiny izany. Koa mametra-panontaniana ny Rodobe eo anetrahan’izany, iza marina no tian’ireny firenena sy orinasa ireny hampiana sy hiara-miasa, ny vahoaka Malagasy sa i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy ? I Madagasikara sa ny FAT ? Na inona na inona anefa antony dia tsy hanaiky lembenana amin’izany ny Rodobe, araka ny voarakitr’ilay taratasy hatrany, fa hanohy ny tolona ataony hisian’ny fitoniana ara-tsosialy eto amin’ny firenena, amin’ny alalan’ny famoahana ireo gadra politika rehetra, ny fiverenan’ireo sesitany an-tanindrazana, hirosoana amin’ny hananganana ny tetezamita tena izy sy iaraha-mitantana izay ho santatry ny fampihavanam-pirenena sahady. Io tetezamita tena izy io no hisahana ny fampandehanan-draharaha sy hanomana fifidianana madio, mangarahara, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena eo ambany fiahiana sy fanaraha-mason’ny Firenena Mikambana miaraka amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana izay havaozina ho taratry ny tena fiaraha-mitantana.

Koa miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Rodobe, hijery ny tena zava-misy marina eto, toy izany koa ireo firenena mbola miara-miasa amin’ny FAT hanambara mazava ny heviny. Marihina fa tsy nampiditra an-trano ny delegasion’ny Rodobe tonga hanatitra taratasy teny Nanisana, omaly tolakandro, ry zareo Sinoa, fa dia teny am-baravarana no nifanolorana izany, na dia efa mahafantatra ny fisian’io dia io aza izy ireo. Samy manana izay ho fandraisana izany, saingy tsikaritra teo amin’izay fihetsika izay ny fitanilan’ireto Sinoa ireto. Fiarovana tombontsoa ? Saika azon-dry zareo tato anatin’izao fitondran’ny FAT izao rahateo ny ankamaroan’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, toy ny vy any Soalala, amin’ny alalan’ny Wisco, izay re fa tao ambadiky ny dian’i Andry Rajoelina tany Angola farany teo. Misy Sinoa koa ny fitrandrahana solika any Sakaraha any. Ampahany ihany ireo, fa ny tena mahavoatonontonona ny Sinoa dia ny resaka “bois de rose”.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Sary : Tsy nampiditra an-trano ny Sinoa ka teo ivelan’ny Ambasady no nifanolorana taratasy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT