Tontosa tam-pilaminana omaly teny Andranomena (Masoivoho Amerikanina) ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana.
Vory lanona ny vahoaka niaraka tamin’ireo mpitarika isan-tokony niaraka tamin’ny fahavononana sy sorabaventy maro ihany koa. Saika tazana teny an-toerana avokoa ireo lohandohan’ny mpisorona mpitarika ny an-kolafy 3 notarihan’ny Pr Zafy Albert sy ny avy amin’ny fikambanana maro, nanoina ny antson’izy ireo ny amin’ny hamaranana izao fitondran’ankolafy tokana izao, ka hananganana ny tetezamita tena izy. Nitatitra ny dian’ny delegasiona niditra tao amin’ny ambasady ny Pr Ange Andrianarisoa, izay nilaza fa voaatitra soa aman-tsara ilay taratasy fisaorana ny Amerikanina noho ny tatitra nataon-dRtoa Hillary Clinton, mikasika ny zon’olombelona. Nanamarika ity mpitarika ny ankolafy Didier Ratsiraka ity fa tsy misy afa tsy ny fifampidinihan’ny samy Malagasy ihany no ivoahana amin’ity krizy ity.
Tazana teny an-toerana mialoha ihany koa ireo mpitandro ny filaminan’ny Emmoreg marobe. Nifampidinika am-panajana tamin’ireo vahoaka izy ireo na dia teo ihany aza ny tsindrom-paingotra kely samihafa. Tsy nisy kosa anefa, ary sambany, ny fipoahan-javatra sy ny fandefasana etona mandatsa-dranomaso. Hitohy anio zoma 13 mey ity Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana ity ka eny amin’ny Villa Elisabeth no voalaza fa toerana hifamotoanan’ny rehetra izay mitaky ny hananganana ny tetezamita tena izy sy iaraha-mitantana. Hisy ny fiaingana miaraka, saingy tsy fantatra kosa hatreto hoe ho aiza ny lalana satria notazonin’ireo mpitarika ho tsy ambarambara ny fandaharam-potoana amin’izany. Ao amin’ny Kianjan’ny 13 mey moa araka ny efa nanaovana angoatenda tamin’ny haino amanjery samihafa dia nandraisan’ny fitondrana FAT fepetra manokana ka hotemerin’ny mpitandro ny filaminana zavon-tany anio. 13 mey hafa indray no ho hita maneran-tany sy horaiketin’ny tantara, araka izany, 39 taona aty aorian’ny 1972.
Manohy
SARY : Naneho fahendrena ny vahoaka teny Andranomena omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.