Politique

Rodoben’ny FAT Am-bava fotsiny ilay hoe mitsitsy


  • Talata 10 Mey 2011

Azo lazaina fa dia delegasiona mafonja no tarihin’i Andry Rajoelina any Istanbul renivohitr’i Torkia, ao anatin’ilay fihaonambe faha-4 karakarain’ny Firenena Mikambana, hijerena manokana ireo firenena tratra aoriana amin’ny resaka fampandroana.

 Fanasana avy amin-dry zareo Tiorka mpampiantrano no ahatongavan’ny solontenan’ny Fahefana avon’ny tetezamita any ary dia nohararaotin’ity farany tokoa izany. Filohana Andrim-panjakana telo be izao, dia i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT, ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Rasolosoa Dolin, ary ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Raharinaivo Andrianatoandro no indray any an-toerana miaraka amina minisitra telo be izao, Rahajason Harry Laurent (fifandraisana), Rinarisoa Irène Eva (varotra), ary Riana Andriamandavy VII (Fizahantany). Ity farany izay vao niala an-tanindrazana omaly, noho ny fikarakarana ny taratasy fandehanany. Manginy fotsiny ny ekipa teknika manaraka azy ireo. Asa aloha izay miantoka ny fandaniana mandritra ny fivahinianana any, izay lavalava ihany, satria raha niala teto ny alin’ny zoma 06 mey ny delegasiona niara-dia tamin’i Andry Rajoelina dia fantatra fa mbola manana fihaonana amin’ny lehiben’ny diplaomasia frantsay, Alain Juppé avy eo ny Sekretera jeneralin’ny frankôfônia, Abdou Diouf, ao Parisy izy amin’ny alakamisy 12 mey, izany hoe aorian’io daty io vao hitodi-doha hiverina eto Madagasikara.

Tsy resahina ny dia in-telo miantoana tany Afrika, hatramin’ny tapaky ny aprily 2011 ka ny roa voalohany notarihin’i Andry Rajoelina ary ny fahatelo notarihin’i Camille Vital. Raha nanendry ireo minisitra 32 mpikambana ao amin’ny governemanta Vital najoro tamin’ny 26 martsa 2011 anefa i Andry Rajoelina dia mbola nanamafy ny tsy maintsy hifehezana ny fandaniam-bolam-panjakana, ferana ny fivoahan’ny minisitra any ivelany. Ho marik’izany tsy fisiam-bola izany aza dia tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra natao ny tapaky ny volana aprily 2011 teo, fa dia hahena 25% ny karaman’ireo minisitra. Asa anefa na mamaly izany ity rodoben’ny FAT any Torkia ity, mamonjy fivoriana izay tsy misy azon’ny Malagasy antenaina aminy, raha resaka famahana ny krizy eto Madagasikara. Sa rehefa izy ireo no mandeha dia misy ny vola, fa rehefa ny hafa dia mila mifehy kibo fa sahirana ny firenena ?

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT