Politique

Rodobe tarihin’ny Pr Zafy Mizarazara ny hevitry ny foloalindahy


  • Talata 10 Mey 2011

Taorian’ny nampahafantarana ampahibemaso ny fijoroan’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana, tarihin’ny Pr Zafy Albert, izay andalana amin’ny fananganana tetezamita iraisana, dia fantatra amin’izao fotoana izao fa miady hevitra ny eo anivon’ny mpitandro ny filaminana.

 Ao ireo izay mihevitra fa tafalatsaka anatin’ny kizo tanteraka ny fiainam-pirenena ka tokony havela malalaka haneho ny heviny ny olona. Ao indray koa anefa ireo izay mihevitra fa vao mainka handatsaka an-katerena ny firenena indray izany fidinana an-dalambe izany. Ankoatra ireo dia misy koa ireo izay leo noho ny afitsoky ny mpanao politika. Milaza mantsy ireto farany fa manao ny asany ara-dalàna kanefa rehefa avy eo mifanaraka ny mpanao politika dia lasa lehiben’ny andrim-panjakana hatramin’ireo izay manan-draharaha eny amin’ny Fitsarana, toy ny tamin’ny baomba vita tanana.

Nisy ihany koa ireo izay nigadra tany Ambatolampy rehefa voarohirohy tamin’ny resaka fanakorontanana teto an-drenivohitra. Toa maimay foana ny fiaran’olona telo tamin’ireny fotoana ireny. Ireo hevitra telo ireo, araka izany, no tsy mampitovy hevitra ny eo anivon’ny foloalindahy amin’izao fotoana izao. Ireo izay hihetsika kosa rehefa tonga ny fihetseham-bahoaka dia fantatra fa miandry vola enti-manana amin’izany aloha vao mihetsika.

 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT