Ho ambohipihaonan’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana eny Anosy amin’ity alarobia 18 mey ity.
Ity no fivoahana faharoa taorian’ny fanateran’izy ireo taratasy teny amin’ny masoivoho amerikanina Andranomena ny alakamisy 12 mey. “Hetsika politika no hataonay eny ka tsy misy idiranareo miaramila”, hoy ny filoha nasionalin’ny TEZA, Jean Louis Rakotoamboa omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka. “Tsy mihemotra intsony io”, hoy izy. Fanomanana sy fanentanana farany omaly, tsy nahagaga raha saika tazana tao Behoririka ny ankamaroan’ireo mpanao politika avy amin’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana omaly. Tonga tao ny Pr Zafy Albert, nijoro ary hita ho mafana fo koa ireo avy any amin’ny Faritra, tonga hanatevin-daharana ity rodobe anio ity. I Tabera Randriamanantsoa kosa dia niantso ireo mpiara-dia amin’izy ireo mba hanaraka hatrany ny torimariky ny lehibe, ary nilaza koa fa “kanosa ianareo miaramila raha mbola izahay no darofanareo”
“Antsika indray manomboka izao no mandresy lahatra ny rehetra, indrindra fa ny SADC fa tsy mety izao ary tsy ilaina i Andry Rajoelina ka vonona hanolo azy isika”, hoy i Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny antoko MFM sady mpiara-mitantana ny ankolafy Ravalomanana nanohy ny fanazavana. Na izany dia nanipika mazava ny Printsy Hector Elakovelo fa : “sady tsy miady aman’olona isika no tsy mamotika zavatra ihany koa, fa ny Fialan’i Andry Rajoelina tsy misy fepetra ihany no takiana”. “Mandrebireby raiamandreny ka tsy maintsy miala”, hoy i Robert. “Famahana ny jadona rehetra io. Efa nisy ny mora rehetra fa miala moramora sisa”, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno. “Misokatra ho azy ho an’ny vahoaka ny Rnm sy Tvm rehefa tonga marobe isika”, hoy ny Depiote Zafilahy Stanislas. “Andron’ny fandresena sy fahamarinana io”, hoy i Camille Mektoub namintina izay rehetra izay.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.