Nambara teny amin’ny “Villa Elisabeth” Ivadry, ny alarobia 11 mey antoandro ary nohamafisin’ireo nifandimby nandaha-teny tao amin’ny Magro Behoririka ny tolakandro fa hanatanteraka voalohany ilay Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana, hotarihan’ny profesora Zafy Albert, ny ankolafy telo miaraka amin’ireo fikambanana nanoina ny antso nataony amin’ity alakamisy 12 mey 2011 ity.
Dia mihazo ny masoivohon’ny Amerikanina eny Andranomena no hisantarany izany. Araka ny fanazavan’i Olivier Rakotovazaha, sekretera jeneralin’ny antoko MFM, dia “hanatitra taratasy” no anton-dian’izy ireo eny, ary efa nahazoan’izy ireo ny fankatoavan’ity ambasady ity izany. Nanamafy ity minisitry ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro tamin’ny fitondrana Ravalomanana sady mpitarika ny KMFB ity fa ilaina ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka eto Madagasikara raha tiana ny hisian’izany tetezamita tena izy. Rtoa Marthe Razafimalala, avy amin’ny Fikambanan’ny Andriambavilanitra Malagasy (FAM) kosa dia nanindry mafy fa ny vehivavy no tena ianjadian’ny fiantraikan’ny fizirizirian’i Andry Rajoelina ka mampitarazoka ny famahana ny krizy. Noho izany, hitsangana izy ireo hanohana ny Rodobe hametrahana amin’izay ny tetezamita tena izy. Rtoa Lalatiana Ravololomanana, filohan’ny fikambanana Manda ho an’ny Firaisam-pirenena kosa dia nanamafy fa efa maro ny dingana nolalovana amin’ity Rodobe ity.
Notsiahiviny ny tao amin’ny Motel Anosy ny 7 mey lasa teo, narahan’ny andron’ny fikambanana eny amin’ny Magro. Teo ihany koa ny valandresaka tetsy amin’ny Carlton, narahan’ny hetsika omaly tetsy amin’ny “Villa Elizabeth” sy Magro Behoririka, izay hitohy anio ary tsy hifarana raha tsy tafatsangana ny tetezamita tena izy. Fikambanana mandala tokoa ny fihavanana sy ny firaisankina ary fiaraha-mientana ny Manda ho an’ny firaisam-pirenena, araka ny nambaran-dRtoa Lalatiana ary, dia hanatevin-daharana ny Rodobe hatrany izy ireo. Nanamafy ary ny tenany fa ny Malagasy rehetra manerana an’i Madagasikara mihitsy no miara-manatanteraka azy ity.
Nanamafy ny voalazany ny Senateran’i Bongolava teo aloha sady filohan’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean Louis, fa tapitra ny fiala-nenina, efa tapa-kevitra hanao rodobe ny Vahoaka fa tafahoatra loatra ny ataon’ny mpandoro tanàna sy ny mpandroba ary ampy izay ny fibodoan-toerana. Nijoro tao Behoririka ny solontenan’ny Hetsika Vonjy Aina tarihin’ny Pr Ranjeva Raymond ary nilaza fa hanatevin-daharana ity rodobe anio ity. Nanohy izany ny Pastera Edouard, izay nanambara fa hetsika fanavotam-pirenena ity ka “roso toy, ka tsa mipody koa”. Efa tonga rahateo ny avy any amin’ny Faritra, hoy izy. “Na iza faly na iza tsy faly, tsy maintsy tafaverina eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana ary hilatsaka hofidiana”, hoy kosa ny depioten’i Vavatenina, voafidy tamin’ny lisitra Tiako I Madagasikara, Zafilahy Stanislas. “Tsy maintsy faranana izao krizy izao ary lalana ho amin’izany ity rodobe anio ity”, hoy ity farany, fa mijaly fadiranovana ny vahoaka, indrindra ny any ambanivolo any, izay anjakan’ny fanararaotana sy ianjadian’ny fandrobana amin’ny endriny samihafa. Lasa lavitra mihitsyaza ny an’ny Printsy Hector Elakovelo sy ny depioten’i Mananjary teo aloha, Mektoub El Camille satria dia ny fialan’i Andry Rajoelina no ambaran’izy ireo fa vahaolana amin’izao krizy izao, ary nambaran’izy ireo dingana hahatongavana amin’izany ity rodobe ity. Hamerina ny firohotana nitsenana ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny 19 ferboary 2011 no tanjon’izy ireo amin’ity anio ity.
Ho an’ny rahampitso zoma 13 mey kosa dia fantatra fa hifamotoana eny amin’ny “Villa Elizabeth” Ivandry ireo Malagasy rehetra izay mitaky ny hananganana ny tetezamita tena izy sy iaraha-mitantana. Hisy ny fiaingana avy eo, saingy tsy fantatra kosa hatreto hoe ho aiza ny lalana satria notazonin’ireo mpitarika ho tsy ambarambara ny fandaharam-potoana amin’izany. Tetsy ankilany ry zareo avy amin’ny Emmo-Reg manamafy fa tsy handefitra amin’izay mihoa-pefy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.