Politique

Robert Razaka «Tsy misy lojika politika eto»


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011

Ho an’i Robert Razaka, loholona Arema teo aloha sady zanak’i Toliara ary mpandrindra ny HPM na Hery Politika Mitambatra amin’izao fotoana dia tsy manaraka ny lojika mihitsy ny fanaovana politika eto Madagasikara.

Nohazavainy fa nifanandrina sy nifanenjika ny antoko TIM sy TGV tamin’ny 2008 -2009, nandeha ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina teny an-dalambe nitakiana ny fialan’ny filoha tamin’izany fotoana, nisy ny fifandonana, maro ny naratra sy nitondra takaitra ary namoy ny ainy mihitsy aza. Ankehitriny anefa araka ny fanazavany dia miara-dia indray ny TIM sy ny TGV, miresaka sy mifanaraka tsara ireo mpanao politika avy amin’ireto antoko roa ireto, ary izy ireo no maro an’isa any amin’ny CT sy ny CST.

Raha ny lojika anefa, hoy ihany i Robert Razaka dia tokony ho ny HPM no miara-dia amin’ny TGV na ilay antsoina hoe “allié naturel” satria izy ireo no mitovy fomba fijery kokoa, satria samy nitaky ny fialan’Atoa Marc Ravalomanana sy nitaky ny hametrahana fanovana no samy manohana an’i Andry Rajoelina. Ny zava-misy anefa ankehitriny araka ny nambarany ihany dia efa tafiditra ao an-trano ireo noroahana roa taona lasa izay, ary izy ireo indray aza no mitady ho tompon-trano raha tsy mitandrina sy tsy mahay mifanaraka tsara ny antoko TGV sy ireo tena manohana ny fitondrana tetezamita. Nambaran’i Robert Razaka ihany koa fa tena mananosarotra ny famahana ny olana, ary mahavaky loha ireo mpanelanelana ity tsy fisian’ny lojika politika eto amintsika ity, ary mitady hanaporofo ny ahiahin’ny maro fa seza no tena mahamaika ny mpanao politika fa tsy ny krizy mivaha.

 

Légende: Robert Razaka (afovoany)

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT