Nampahafantarina tetsy amin’ny toerana iray etsy Andravoahangy ny fikambanana politika maromaro miara-miasa amin’ilay hetsika rodoben’ny tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana (RMTF)
fa hidina etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey rahampitso hahatsiaro ny tolon’ny 1972 ary manantena fa hahazo olona amin’ny hetsika hataony. Antony, hoy izy ireo, dia satria firaisankina no lalan-tsaina hitondrana ny hetsika. Mankasitraka ny prefektiora nanome alalana na dia tsy nangataka aza izahay ary mankasitraka ny kaominina koa amin’ny fandaminana. Vonona hitondra izahay, hoy ireto mpanao politika ireto ary handamina sy hanarina fa tsy hanakorontana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.