Politique

Resaka fifidianana «Aza maimaika !», hoy i Manandafy


  • Alarobia 13 Aprily 2011

Niangavy mafy ny mba hihaona amin’ny ankolafy telo, ny delegasion’ny OIF tarihin’i Hugo Sada rehefa avy nitety ireo lehiben’ny andrimpanjakana najoron’ny FAT, nanomboka tamin’i Andry Rajoelina, nanamafy ny fanohanany izao tetezamita izao, sy ny fankasitrahany ny sori-dalana ka hirosoana amin’ny fikarakarana fifidianana amin’izay hamaranana ny krizy.

Tsy nanda ny fihaonana ny ankolafy Ravalomanana. Nihaona teny amin’ny Carlton ny roa tonta omaly hariva. Efa nataon’ny ankolafy Ravalomanana an-tsoratra ny votoatin’ny resaka hifanaovany amin’ity delegasiona vahiny ity, tsy hisian’ny resaka mifandiso na koa fandikana vilana, ary dia natolotra an-tanana. Andriamatoa Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny antoko MFM sady filoha mpiara-mitantana ny ankolafy Ravalomanana no manao sonia ny taratasy, izay nilaza tamin’ny fomba diplaomatika fa tsapa ny fitadiavam-bahaolana amin’ny krizy eto Madagasikara ataon’ny OIF, anisan’izany ny tokony hikarakarana fifidianana malalaka, mangarahara, eken’ny rehetra hamaranana tanteraka ny krizy.

Na izany aza dia ny fehin-kevitry ny Troika SADC no fantatray sy mbola tananay, ka aoka aloha aza maimaika manao sarety mialoha omby, hoy i Mananadafy. Lavinay, koa hoy izy, ny fikarakarana samirery fifidianana ataon’ny FAT. Na izany aza anefa, hoy ny ankolafy Ravalomanana dia antenaina fa hanao tolotanana ny OIF amin’ny fikarakarana fifidianana eo ambany fiahian’ny Firenena Mikambana.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT