Efa hetahetan’ny mpizaika tamin’ireny Dinika Santatra, nasaina notanterahin’ny Raiamandreny Mijoro, ny faramparan’ny volana jolay 2010 ireny ny hanolorana lalŕmpanorenana roa hisafidianana amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka dia ny lalŕmpanorenana federaly, izay tolokevitra nironan’ny betsaka, indrindra ny tany amin’ny Faritra sy ny lalŕmpanorenana fanjakana tokana.
Tsy izay anefa no nitranga fa dia lalàmpanorenana tokana, fanjakana tokana, no nasisiky ny Fahefana Avon’ny tetezamita, nisafidianana ENY na TSIA ny 17 novambra 2010 enti-manangana ny Repoblika IV. Iaraha-mahalala ny zava-miseho. Manao tohivakana ny tsy fankatoavana sy ny tsy fankasitrahana iny lalàmpanorenana iny avy ato anatiny. Vao mainka nanamafy izany ny tsy fahatomombanana maro nitranga taloha, nandritra ary taorian’ny latsa-bato. Tsy nisy koa na firenena vahiny iray mba niarahaba ny Malagasy na ny fitondrana nahavita izany referandaoma izany. Midika io fa ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy vitan’ny hoe mitsipaka fa tsy mankato iny lalàmpanorenana natao tefimaika iny.
Manaporofo an’izany, na andalana iray ao amin’ilay sori-dalan’ny Dr Simao, lazaina fa sori-dalan’ny SADC, koa aza tsy miresaka akory momba azy iny. Eo anatrehan’izany dia nanangana Komity manokana ny ankolafy Zafy Albert, hamolavola sy handrafitra lalàmpanorenana federaly sy lalàmpanorenana fanjakana tokana haroso hisafidianan’ny Malagasy. Nampahafantarin-dry Rakotovahiny Emmanuel ny sabotsy 05 febroary teo, tao amin’ny «Villa la Franchise» Ivandry, ny fisian’io Komity io. Nambara fa efa am-perinasa io Komity io ary anisan’ny mpikambana ao anatin’izany ny Pr Ranjeva Raymond, izay tazana teny an-toerana tamin’io fotoana io. Zava-dehibe loatra ny lalàmpanorenana, hoy ny Dr Rakotovahiny Emmanuel, lehiben’ny delegasion’ny Ankolafy Zafy sady nitondra teny tamin’io andro io, noho izy io fototra hanorenana Repoblika Vaovao. Nohararaotin’izy ireo koa ity fotoana ity, nitondrana fanampim-panazavana teo anatrehan’ny resaka nifamahofaho milaza fa sakana ho an’ny fikatsaham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy ny ankolafy Zafy Albert.
Nambaran-dRakotovahiny Emmanuel mazava tsara fa in-droa miantoana ny ankolaky misy azy no nandefa heviny sy izay heveriny fa hivoahana amin’ny krizy tany amin’ny Dr Leonardo Simao, iraky ny SADC sy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena eto. Izany, dia mbola narahina fanontaniana fangataham-panazavana, niarahan’ny Ankolafy Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana, raha ankatoavin’ny iraisam-pirenena ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010 sy ny lalàmpanorenana naterak’izy iny. Nahazo valin-teny an-tsoratra izy ireo milaza fa tsy mankato an’ireny ny Fianakaviambe iraisam-pirenena. Mazava ny resaka eto fa dia miverina “zéro” ny raharaha mikasika ny fananganana Repoblika IV. Mila vahaolana mazava aloha ny krizy, tsy mbola ilay sori-dalana naroson’ny Dr Simao anefa no lalana ho amin’izany, raha ny hevitry ny ankolafy Zafy Albert.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.