Politique

Razanamahasoa Christine Nomena seza sao lasa fahavalo


  • Alakamisy 31 Martsa 2011

Raha nisy ny ministra nahazo fanakianana be indrindra tao anatin’izao tetezamita izao dia mety mitana ny laharana voalohany amin’izany Rtoa Razanamahasoa Christine.

Teny an-dalambe no nanendrena azy voalohany ho ministra, ary tsy voahozongozona mihitsy ny toerany, na dia nisy ihany aza ireo olona sasantsasany tao anatin’ny fitondrana FAT sy akaiky an’i Andry Rajoelina nitady ny fomba rehetra hanilihana azy.Mazava ny resaka ankehitriny fa hiaraka hamarana ny tetezamita amin’i Andry Rajoelina izy. Toerana tena saropady amin’ny fitantanana ny firenena tokoa mantsy, indrindra fa amin’ny vanim-potoana tahaka izao, ny fitsarana. Ny eto amintsika rahateo moa mbola nijanona ho tanjona fotsiny ilay hoe fahaleovantenan’ny fitsarana fa hita mibaribary ny fitsabahan’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny raharaham-pitsarana.

Raharaha efatra lehibe no azo ambara fa tena saropady, dia teo aloha ny fomba nahazoan’i Andry Rajoelina mihitsy ny fahefana. Mbola manjavozavo hatramin’izao hoe andinin-dalàna inona sy manao ahoana no nanatanterahana izany. Faharoa dia ny fanamelohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana noho ny nambara fa fanodikodinana volam-panjakana nataony tamin’ny nividianana ilay fiaramanidina Force One faharoa sy ny nilazana fa tompon’andraikitra voalohany tamin’ny famonoan’olona teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009 izy. Raharaha goavana fahatelo ny resaka “bois de rose”, ireo mpanapaka hazo sy mpitatitra no notsaraina sy nogadraina, voalaza fa maro ny antontan-taratasy nanjavona sy tsy hita tampoka, tsy misy ny tatitra mazava navoakan’ny Task Force tena manjavozavo ny raharaha ary tsy fantatra hatramin’izao ireo tena atidoha nikotrika ity fandripahana sy fanondranana an-tsokosoko ny hazo sarobidy eto amintsika ity.

Ary raharaha fahefatra farany ny fanadihadiana sy fisamborana ary fanagadrana ireo mpanao politika, tsy mitovy hevitra amin’ny FAT. Nandalo teto ny raharaha baomba, ny fanakatonana radio narahina fisamborana sy fitanana am-ponja mpanao gazety, ny fikomiana tany anaty toby miaramila, ny fikasana hanongam-panjakana, ary farany teo dia ny fifofoana ny ain’ny filohan’ny tetezamita. Voalaza hatrany fa misy mpanao politika ao ambadik’ireny raharaha ireny, nanakarama olona hono. Voatonontonona matetika amin’izany ireo mpanao politika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, ary araka ny filazan’ny mpisolovava azy ireo moa dia tsy mazava mihitsy ny raharaha ary maro be ny tsy fanajana ny lalàna sy ny zon’ny voampanga. Ny olon-tsotra dia mahita fa fitsarana politika no misy eto. Koa arak’izany voalaza rehetra teo izany dia sarotsarotra ho an’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ihany ny hanilika ny ministry ny fitsarana Rtoa Christine Razanamahasoa, sao mivadi-dela ity farany ka hamboraka tsiambaratelo. Azo antoka mantsy fa tena mahalala zavatra maro dia maro ny tenany koa tsara kokoa raha namana izy fa tsy fahavalo !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT