Tsy tokony hanimba ny fiarahamonina ny hevitra tsy mitovy, hoy Razafindrakoto Fidy Mamy Helson dit Besetroka, Mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny tetezamita avy amin’ny antoko PSDUM (Parti Socialiste et Démocratique pour l'Union ŕ Madagascar) tamin’ny resadresaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy. Manana ny heviny koa izy mikasika ireo fanambarana politika niseho tato ho ato.
Tia Tanindrazana (T.T) : Handeha ny sambo amin’ny herinandro ho avy, hoy i Andry Rajoelina tany Toamasina. Mety tsara amin’ny PSDUM ve izany ?
Razafindrakoto Helson (R.H) : Isika moa mitady ny fahatoniana ka iny no teniny rehefa avy naka ny hevitry ny vahoaka izy ka miangavy ny Malagasy rehetra, indrindra ny Ankolafy telo mba hampandefitra ny hambom-po ka hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena ka hiaraka hiditra anaty sambo.
T.T : Raha misy tsy tafiditra, inona no hitranga ?
R.H : Ny irianay dia ny hidiran’ny rehetra ao fa tsy noeritreretina izany hoe hisy tavela izany.
T.T : Ka ny ankolafy Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana milaza ny tsy hiditra mihitsy ?
R.H : Mitovy hevitra amin’ny rehetra izahay hoe rehefa milamina ny tany vao miverina Ravalomanana ary tsy misy hoe resaka matahotra fa ny fahatoniana ara-politika no tena katsahana ankehitriny. Ary ity fitondrana tetezamita ity no hitako tena hafa satria nanaiky nizara ny fitantanana ho an’ny rehetra noho io resaka io.
T.T : Tsy henoheno firy i Lahiniriako Jean, Filohan’ny PSDUM, ny antony ?
R.H : Amin’ny maha raiamandreny azy dia vonona amin’ny fiaraha-mitantana sy hampandefitra ny hambom-po izy raha izay no hahatomombana ny Repoblika faha-4. F’izahay dia miainga ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra lalandava. Ary ho ahy manokana dia efa hatry ny ela aho no nieritreritra fa ny hevitra tsy mitovy tsy tokony hanimba ny fiarahamonina. Anisan’ny nahagaga ny tany Alaotra izany satria na dia gadra politika tamin’ny taona 2002 aza aho dia niara-dalana akaiky isan’andro tamin’ny filoha rejionalin’ny TIM foana ary anisan’ny nitsena an’Atoa Fetison Rakoto Andrianirina (Co-Président) tany aho na dia mpanolotsain’ny filoha lefitry ny HAT aza tamin’izany nefa nahilikiliky ny TIM sasany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.