Politique

Raveloson Constant Hiady ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara izahay


  • Alarobia 02 Martsa 2011

Kabary fanentanana amin’ny fitiavan-tanindrazana no natolotry ny mpitari-tolona Raveloson Constant (MFM), omaly, tetsy amin’ny Magro Behoririka.

“Miainga ity manomboka rahampitso (anio) alarobia”, hoy izy, “rehefa misy manontany ianareo any an-dalana dia valio fa hiady ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara izahay fa nobodoin’ny olon-tokana ny fahefana. Fanjakana iaraha-mitantana no hatsangana ka toerana misy ny filoha voafidim-bahoaka io. Matoa misy polisy politika dia didy jadona no misy, hoy ity sendikalista sady mpanao politika ity. Ny filoha telolahy, Zafy Albert, Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana dia tsy maintsy manaraka ny dinika rehetra handaminana ny firenena.

Filoha andrim-pahefana norobaina ireny miteny ireny ka soniavo izay tianareo ho soniavina na manangana Repoblika ivelan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny vakiraoka, fa tsy hamidinay ny fitiavana ny Repoblika”, hoy ihany ity olon’ny mafàna ity nanao tsindrom-paingotra ireo mpanao politika nisisika ny hanao sonia ilay sori-dalana vakiraokan’ny Dr Simao. “Mifohaza fa tonga ny lera !” hoy ny Dr Julien nanampy izany. “Miroso ny dia manomboka ny alarobia ary tsy ao amin’ny Villa Elisabeth ihany fa mandra-pahatongan’ny filoha roalahy. Io ihany no fanafody sy vahaolana”, hoy izy. “Amin’ny anaran’ny Ankolafy telo hetsika io”, hoy ny Depiote Zafilahy Stanislas. “Famerenana ny sata repoblikanina no hatao”, hoy ny Depiote Camille Mektoub, “Safidy io na baroa na ara-dalàna ! Taperina amin’izay ny nofy ratsy nentin’ny FAT”, hoy izy. Mamintina izany rehetra izany ny filazan’Atoa Jean Louis Rakotoamboa, filoha nasionalin’ny antoko TEZA nilaza fa “eto no hanaovana ny tena “malgacho-malagasy” ka tsy hiverina intsony ny fanilihana izay nitarika krizy lavareny”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT