Politique

Ravalomanana tany Ambatondrazaka Nanamafy fa hitsipaka iny sori-dalan’i Simao iny ny SADC


  • Talata 10 Mey 2011

Nandritra ny fotoam-bavaka ho an’ny firenena notontosain’ireo Vondron’olon-tsotra any Ambatondrazaka ny sabotsy 07 mey teo no nanambara tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny filoha Marc Ravalomanana fa ny fanapahan-kevitry ny vondrona SADC amin’ny 20 mey izao dia hanamafy ny tsy fankatoavana ilay sori-dalana nataon’i Simao koa miangavy ny Malagasy rehetra izy hitondra am-bavaka izany.

 Nohamafisiny fa tsy maintsy hody eto Madagasikara izy ka hitondra voan-dalana mahasoa ny Malagasy rehetra. Amin’izay fotoana izay, hoy izy, dia “hiaraka hikatsaka izay hampandroso ny firenentsika isika, koa miraisa hina dieny izao !”. Nohamafisiny ny ho filatsahany hofidiana filoham-pirenena mba ho fanasoavana ny mpiray tanindrazana. Nialoha ny fidirana an-tariby mivantana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana dia nisy ny fotoam-pivavahana fohy notarihan’ny mpitandrina Randriamalalaharisoa Jules, izay namoaboasany ny hevitra fonosin’ny hiram-pirenena Malagasy. Nambarany fa mila olona manana toe-tsaina vonona hanompo tanindrazana ny firenentsika ary tokony hifamela heloka ny Malagasy rehetra. Nahavelombolo ireo mpomba ny filoha Marc Ravalomanana any Alaotra ny fisian’ilay fotoam-bavaka ho an’ny firenena nokarakarain’ny Vondron’olontsotra tao Ambatondrazaka, indrindra ny nahenoana indray ny feon’ny filoha Marc Ravalomanana.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT