Politique

Ravalomanana Nampidirina garazy


  • Alatsinainy 24 Janoary 2011

Niova nanomboka ny zoma lasa teo ny Komandin’ny Emmo-Reg ho an’ny faritra Analamanga ka dia nisolo toerana ny jeneraly Ravalomanana Richard ny kolonely Andriamitovy Andriantsarafara Rakotondrazaka.

 Raha amin’ny fomba firesaka eo anivon’ny miaramila sy ny zandary dia tonga amin’ilay fitenenana hoe : nampidirina garazy ny jeneraly Ravalomanana, izay nopetahan’ny mpitolona ao amin’ny Magro ny anaram-bositra hoe «Rabaomba lava» noho izy be fihetsiketsehana sy niasa mafy ary niseho gazety sy fahitalavitra isan’andro tamin’ireny vanim-potoan’ny baomba vita gasy ireny. Hatramin’izao, tsy mbola misy aloha ny andraikitra hafa nomena ity manamboninahitra zandary ity, na dia efa nandeha ihany aza ny siosion-dresaka fa mety hotendrena Komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena izy, nijanona ho honohono aloha izany hatramin’izao.

Mety ho garazy hampidirana azy ihany koa ny ao amin’ny «Inspection Générale de la Gendarmerie», izay efa nandalovan’ny ankamaroan’ireo manamboninahitra jeneraly tsy nanana andraikitra mazava loatra hatramin’izay. Mazava ho azy fa fanapahan-kevitra politika avy amin’ny filoham-pirenena ny fampisondrotana grady ho jeneraly, ary tena toerana politika ihany koa no ampitazomina azy ireny amin’ny ankapobeny. Tena nihenjana na tamin’ny fomba fiteny na tamin’ny fomba fiasa ny jeneraly Ravalomanana nandritra ireny krizy ireny ary namoaka teny henjana ho an’ireo ambarany fa fahavalom-bahoaka sy mikononkonona fanakorontanana. Maro ny olona tsy dia mahazoazo azy loatra noho izy nambara fa mizahozaho loatra, nisy kosa anefa no nankasitraka tanteraka ny asany satria sahy nijoro izy ary tsy nihemotra na ahoana na ahoana fitrangany.

Niteraka fimenomenomana teo amin’ireo kolonely nitovy taminy, na efa zokiny tamin’ny andiany nivoaka tao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe (faha-13 izy) ihany koa ny nahazoany ny galonana jeneraly farany teo, kanefa efa izay moa ilay nambara tery ambony hoe fanapahan-kevitra politika io resaka io. Raha nisy manamboninahitra nalaza sy fanta-bahoaka tampoka tato anati’izao krizy izao dia mety tafiditra ao anatin’ny 5 voalohany amin’izany ny jeneraly Ravalomanana, izay nangingina tsy dia naharenesam-peo nandritra ny fitondrana teo aloha. Miandry izay andraikitra hosahaniny manaraka ny maro satria voasokajy ao anatin’ireo manamboninahitra jeneraly miara-dia amin’i Andry Rajoelina izy, ary tsy maintsy hahazo ny valin-kasasarany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT