Politique

Ratsy toerana ny Dr Simao Dr Salomăo no hasolo azy ?


  • Talata 22 Martsa 2011

Taorian’ny nanafoanana ny fivorian’ny Troďka na ny rafitra mpanapa-kevitra eo anivon’ny SADC, tarihin’ny filoha zambiana, Rupia Bwezani Banda, tokony ho natao ny zoma 18 martsa teo, nandinihana ny raharaha Madagasikara, indrindra ny amin’ilay sori-dalana naroson’ny Dr Simao natao rangopohy teny Ivato ny alarobia 09 martsa 2011, dia mandeha ny feo fa ratsy toerana tokoa ankehitriny ny Dr Leonardo Simao ary mety hiafara amin’ny fanoloana azy mihitsy aza izany.

Araka ny fantatra mantsy dia hentitra ireo filoham-pirenena eo anivon’ity vondrom-pifanakalozana lehibe aty Afrika atsinanana ity, nilaza fa raha mbola misy ampahana Malagasy mitokona eto Madagasikara dia tsy vita amin’ny tokony ho izy ny iraka nampanaovina an-dry Simao teto. Ny iraky ny Ankolafy Telo, nahitana an-dry Régis Manoro (ankolafy Zafy), Razafimahefa Monfort (ankolafy Ratsiraka), Roland Ravatomanga, Benjamin Andriamihanta, Henri Roger Ranaivoson (ankolafy Ravalomanana), lasa tany Lusaka (Zambia) misy ny filohan’ny Troïka, avy eo tany Gaborone (Botswana) misy ny foiben-toeran’ny SADC ary tao Afrika Atsimo, izay misy ny filoha lefitry ny Troïka, dia nanipika mazava, omaly, taorian’ny tatitry ny dian’izy ireo tamin’ny Pr Zafy Albert, fa tsy nanaja ny fenitra amin’ny asa fanelanelanana ny Dr Leonardo Simao. Nitsara ady no nataon’ity farany, hoy izy ireo teny amin’ny “Villa La Franchise” fa tsy nanelanelana velively. “Ny fomba nitondrany ny fandaminana ny krizy mihitsy no tsy nandeha amin’ny tokony ho izy”, hoy i Manoro Régis.

Nanampy ny fanazavana i Benjamin Andriamihanta, fa “tokony ho nisy famoriana miaraka an-databatra boribory ireo tsy mitovy hevitra ao anatin’izao krizy izao, fa tsy navakavahana tsirairay”. Na izany aza, nanamafy ny Ankolafy telo fa vonona hatrany amin’ny fifampidinihana izy ireo, hahafahana mandrafitra sori-dalana ifanarahana handaminana ny krizy, fa tsy hamaha olana eto amin’ny firenena ary tsy hampisy fahatoniana raha io sori-dalana amin’ny endriny ankehitriny io. Ny filoha Zafy Albert, Didier Ratsiraka, ary Marc Ravalomanana moa dia miray hina fa ny fihaonan’ireo mpitarika ankolafy rehetra eto Madagasikara ihany no lalana hahitana vahaolana. Ao anatin’izany rehetra izany dia mandeha ny feo fa dia mety ho ny Dr Tomaz Augusto Salomão indray no handray an-tanana ny fanohizana ny fanelanelanana hivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara. Teratany mozambikana izy ity, efa ministry ny fitaterana sy ny fifandraisana tamin’ny andron’ny filoha Joaquim Chissano, ary Sekretera mpanatanteraky ny SADC ihany koa.

Tsy vaovao amin’i Madagasikara izy. Niara-dia tamin’ny filoha zambiana teo aloha sady filoha am-perinasan’ny SADC, Levy Mwanawasa, nitsidika teto ny febroary 2008 izy, ary raha vao niandoha ity olana politika ity dia efa tonga teto koa ny tenany. Mandritra ny fivoriana hataon’ny Troïka amin’ny faran’ity volana martsa ity, raha tsy misy fiovana tamin’ny fotoana farany, no hamantarana misimisy kokoa mikasika ny mety ho fanoloana an’ny Dr Leonardo Simao sy izay mety ho fanirahana ny Dr Tomaz Augusto Salomão io. Fa mandra-piandry izany rehetra izany dia mitohy isan’andro ny hetsiky ny Ankolafy Telo mitaky ny hamerenana ny ara-dalàna etsy amin’ny Magro Behoririka. Tsy mahatombina koa ny mpitondra ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Araka ny fantatra mantsy dia nisy delegasiona mafonja, nahitana olona folo eo, niala mangingina teto Madagasikara ny alahady alina, nandeha fiaramanidina manokana nihazo an’i Maorisy ary mikasa ny ho any Maputo (Mozambika). Inona avokoa no mahatonga izany rehetra izany ? Ho hita eo ny tohiny.

 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Dr Tomaz Augusto Salomão

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT