Politique

Ratsiraka Didier Afaka manao fanohanana ny vesatra iampangana azy


  • Zoma 10 Jona 2011


 Samy tsy mametraka olana amin’ny fiverenan’ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier an-tanindrazana avokoa ireo ankolafy sy vondrona politika tany Gaborone ary nanamafy izany koa Rajoelina nandritra ny valandresaka nataony teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Mbola misy anefa ny vesatra iampangana ny amiraly noho ny raharaha 2002 izay mety ho sakana amin’ny fahafahany miaina ankalalahana indray eto amin’ny firenena. Nanamarika ny lehiben’ny Fampanoavana  eo anivon’ny fitsarana ambony eto Antananarivo, Ranary Rakotonavalona fa tsy mihatra ny didy manenjika ny voampanga raha tsy efa tapitra avokoa ny zo ahafahany  miaro tena. «Afaka manao fanohanana ny didim-pitsarana manameloka azy izy satria tsy teto an-toerana tamin’ny fotoam-pitsarana azy. Afaka manao toy izany koa ny filoha teo aloha Ravalomanana». Raha resy lahatra ny fitsarana amin’izay fotoana izay fa tena madio eo anatrehan’ny lalàna sy ny raharaha iampangana azy izy ireo dia miova ny didim-pitsarana izay mety hanafaka azy ireo madiodio araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fampanoavana hatrany.

 

Yves

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT