Politique

Ratsirahonana sy ny AVI Mitady hanjakazaka hatrany an-dapa ?


  • Talata 05 Aprily 2011

Mbola misarika ny sain’ny mpanara-baovao maro ny nahazoan’ny antoko AVI toerana roa eo anivon’ny governemanta faharoan’i Camille Vital.

Ankoatra ny ministeran’ny rano izay efa teo am-pelatanany tamin’ny governemanta teo aloha fa ny ministra fotsiny no niova amin’ny alalan-dReboza Julien dia olon’ny AVI koa no mitantana ny ministeran’ny fanabeazana, i Jean Jacques Rabenirina. Sanganehana hatramin’ireo olona akaiky ny filohan’ny FAT mihitsy manoloana ity fanomezana tombon-dahiny ny ekipan-dRatsirahonana ity satria na ny TGV izay antoko noforonon’i Andry Rajoelina aza tsy manana departemanta na iray aza ao amin’io governemanta vaovao io. Maro koa ireo antoko nanohana an-dRajoelina tamin’ireny tolona notarihiny ireny ary mbola miaraka aminy hatramin’izao toy ny MTS izay tsy manana afa tsy ministra iray monja. Raha ny lojika anefa dia izay antoko nahazo vato be indrindra tamin’ny fifidianana farany no tokony hahazo toerana betsaka kokoa.

Raha tsiahivina dia 4,22% ny vato azon-dRatsirahonana Norbert Lala tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny desambra 2006 raha 10,14 % kosa ny an’i Roland Ratsiraka. Tsy afa-po amin’izay “valisoa” nomena azy anefa ity filohan’ny AVI ity sy ny ekipany satria ny toeran’ny Sekretera jeneralin’ny Fiadidian’ny Tetezamita indray izao no tetehany ka i Nirhy Lanto Andriamahazo izay vao nesorina tao amin’ny ministeran’ny rano, raha ny resaka mandeha no ketrehana hitantana io toerana io. Mety tsy hahagaga koa anefa ny amin’io satria Ratsirahonana dia efa nilaza raha vao niandoha ity Fahefana avon’ny tetezamita ity, fa ity no tolona politika farany andraisany anjara, ka hataony izay “hampahomby” azy.

Mifankalala tsara amin’i Andry Rajoelina i Nirhy Lanto Andriamahazo ary efa niara-niasa taminy fony izy Ben’ny tanàna, azo ambara hoe tafiditra ao anatin’ireo olona atokisan’ny filohan’ny FAT ary nanana ny toerany sy ny andraikiny tamin’ny hetsika natao tamin’ny 2009 ka nampirodana ny fitondrana Ravalomanana, anefa, araka ny fantatra, tsy dia lanin’ny vavonin’ny ankamaroan’ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina loatra noho antony ara-pitantanana. Manoloana ny tetiky ny AVI izay dia tsy manaiky lembenana koa ny hafa. Misy mihitsy aza no sahy manambara fa “ry Ratsirahonana no nanosika tamin’ny fifanarahan’i Maputo ary mbola sakana tsy hivahan’ny olana ankehitriny eto amin’ny firenena”. Raikitra indray izany ny ady seza sy ny fingampingana ao ambony ao.

Yves sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT