Politique

Rasamizafy Cyril “Diovy ny CT, esory izy 13 !”


  • Zoma 25 Martsa 2011

Samy mbola miandry ny fivoahan’ny governemanta vaovao avokoa na ireo antoko sy fikambanana politika nanolotra anarana sy nanao rangopohy ilay sori-dalan’ny Dr Simao na ny olon-tsotra liam-baovao.

Anisan’ireo nandefa teny Mahazoarivo ny lisitr’ireo olona heveriny fa mendrika hisahana ny andraikitry ny ministra koa ny Exopoles. Tsy mpanao politika fa saika teknisianina avokoa izy ireo raha ny nambaran-dRasamizafy Cyril, mpitarika ny Expoles ity vondron’antoko sy fikambanana politika ity. “Jeneraly 4 izay misy efa misotro ronono sy teknisianina ambony ahitana mpampianatra mpikaroka sy administratera sivily no natolotray. Ankoatra izay dia misy olona akaiky ny ankolafy 3 koa no vonona hiditra ao anaty governemanta rehefa nifampiresaka taminay raha eken’ny praiministra sy ny filoha. Malalaka tanteraka amin’ny fanapahan-keviny anefa ny praiministra sy ny filoha raha hiara-kiasa amin’izy ireo na tsia”, hoy hatrany Rasamizafy Cyril izay nanamafy koa fa tsy olana ho an’ny vondrona tarihiny izay toerana omena ireo olona narosony ireo.

Mpikambana iray ao amin’ity vondrona ity izay tsy nitonona anarana kosa no nanome fanampim-panazavana fa olona akaiky dia akaiky ny amiraly Didier Ratsiraka sady manana rohim-pihavanana aminy io lazaina fa avy ao amin’ny ankolafy telo io. Noraisin’i Andry Rajoelina teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra ny alarobia lasa teo ity olona ity. Nambaran’io loharanom-baovao io koa fa toerana ministra roa no azo antoka fa ho an’ny Exopoles. Ny depioten’i Moramanga teo aloha Andriamahefa Charles no nivaky fa ny ministera misahana ny ranomasina sy toerana praiministra lefitra iray no andrandrain’izy ireo. Ankoatra izay dia mitaky ny hanadiovana ny Kongresin’ny tetezamita ny Exopoles. Mpikambana 13 no takian’izy ireo ny hanesorana azy tao, fa tsy fanta-pihaviana araka ny nambaran-dRasamizafy Cyril.

 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT