Maro ny hevitra nivoaka taorian’iny fanambarana nataon’ny Troika ny SADC ny 31 martsa teo iny. Nanamarika ny Me Rasamimaka Mahefalahy fa be loatra ny fandikan-teny manimba zavatra manodidina ny fehin-kevitra noraisin’ny Troika iny. Mila adika amin’ny tokony ho izy ny hevitry ny vondrona goavana tahaka ireny fa tsy atao izay mahafaly ny tena sy izay mety amin’ny tena fotsiny. Ny fandikana teny tahaka ireny mantsy mety mahatonga ny famahana ny olana ho sarotra avy eo. Nilaza koa ny Me Rasamimaka fa «efa zava-dehibe ny fiheverana ny raharaha malagasy ho raharaha mila vahana haingana, ary zava-dehibe koa ny mbola nametrahana ilay hevitra notapahan’ny SADC ny 30 martsa 2009 mametraka ny sazy ho an’ireo mpandika lalàna sy ny fanaingana ny hiverenana amin’ny tany tan-dalàna ao anaty lalàmpanorenana».
Ny eto amintsika, araka ny nambarany hatrany, dia «tsy diniky ny samy Malagasy izany no misy fa diniky ny mpifahavalo, hany ka manimba zavatra raha tsy miverina amin’ny soatoavina Malagasy isika dia ny fametrahana ny fihavanana sy firahalahiana ary fametrahana ny ray aman-dreny amin’ny toerany». Raha samy tonga saina ny rehetra dia «tsy misy tsara tahaka ny fiverenana midinika ao anatin’ny fo tony sy saina mihevitra marina ny fitiavana ny tanindrazana sy ny Malagasy efa mijaly noho ny krizy mitarazoka loatra». Ao anatin’izay dia «tokony ho menatra ireo olona voasazy ka raha tsy mampaninona azy izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia tokony hodinihany ihany ny eo amin’ny samy Malagasy, indrindra Andriamanitra». Ankoatra izay, nohamafisin-dRasamimaka Mahefalahy fa «aleo isika mifidy ny fifanarahana mety tsy ho zarizary nefa eken’ny rehetra, toy izay handray fepetra tsara lamina hifandroritana, ka amiko dia ny miasa miaraka ihany no antoky ny fahombiazana». Mila manana finoana isika ary mila manana finiavana ihany koa miatrika izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.