Politique

Randriantsizehena Benja Urbain « Tsy misy fifidianana azo atao raha tsy vita ny amnistia »


  • Alarobia 20 Aprily 2011

Ho an’i Benja Urbain Randriantsizehena, filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita dia midika ho fizorana tsimoramora mankany amin’ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana tetezamita ny fiantsoana ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina hihaona amin’ny filoha mpitarika ny SADC tany Windhoek–Namibia farany teo.

Aminy dia ny mpanasazy no efa manaiky hiresaka tamin’ny nosaziany ka antenaina fa hiravona amin’izay ny olana. Ny dingana manaraka, araka ny nambaran’ity filoha lefitry ny Kongresy ity dia ny fanitarana amin’izay ny parlemantan’ny tetezamita ka hampidirana ireo solontenan’ny vondrona sy ankolafy politika nanao rangopohy ilay sori-dalana mba hitohizan’ny asa haingana. Rehefa vita izay dia mila dinihana sy lanian’ny parlemantera amin’izay ny famotsoran-keloka, hoy Randriantsizehena Benja Urbain satria tsy misy fifidianana azo tanterahana eto raha tsy vita sy ampiharina ny famotsoran-keloka izay antoky ny fitoniana sy ny fampihavanana ny samy Malagasy. Raha ny marina moa dia efa hatry ny ela no vonona ny fehin-kevitra sy ny volavolan-dalàna momba ity famotsoran-keloka ity ary maro ireo vondrona parlemantera sy antoko ary vondrona politika manana ny azy manokana momba azy io.

Efa nisy koa anefa ny fehin-kevitry ny marimaritra iraisana nivoaka avy tamin’ny fihaonambem-pirenena, sy ny fifanarahana politika teny Ivato ary ny sori-dalan’ny Dr Simao. Fa eo ihany koa anefa ny fepetra momba ny famotsoran-keloka araka ny diniky ny ankolafy efatra tany Maputo, Addis Abeba ary Pretoria. Azo antoka fa mbola hafampana ihany ny adihevitra momba azy io eny amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita eny.

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT