Politique

Ralitera Andrianandraina 730 andro any am-ponja


  • Alarobia 27 Aprily 2011

Roa taona amin’ity 27 aprily ity na 730 andro katroka izay no nisamborana an-dRalitera Andrianandraina, Talen’ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Ambohidahy.

Dimy lahy izy ireo no nataon’ny FIS (Force d’intervention spéciale) indray mibata tamin-kery tao Ambohidahy ny tolakandron’ny alatsinainy 27 aprily 2009. Nentina avy hatrany teny amin’ny CNME (Commission Nationale Mixte d'Enquête) Ambohibao taorian’izay ary notazomina teny nandritra ny folo andro nanaovana famotorana izay vao natolotra ny fitsarana. Teo anelanelan’izay nisesisesy ny fisavana ny tranony sy toeram-piasany. Naharihary tamin’ny haino aman-jery ny fandehan’ny fisamborana sy ny zavatra, nambara, fa hita tao anatin’izany fisavana trano izany. Taorian’izay dia nalefa tany Tsiafahy i Ralitera, niaraka tamina voampanga iray hafa. Notazonina tao amin’ny fonjan’Antanimora kosa ny telo tamin’ireo dimy niara-nosamborina taminy. Dosie telo samihafa no mitatao amin-dRalitera Andrianandraina, dia ny raharaha “7 febroary 2009”, izay niovaova be ihany ny votoatiny, ka nanondroana azy ho mpisando-pahefana. Ny fiampangana faharoa dia ny fifofoana ny ain’ny filoham-panjakana.

Tsy nahita porofo nitazonana azy tamin’io ny ‘fanjakana’ ka dia nivalona teo iny. Fa vesatra iampangana azy amin’ny dosie fahatelo izay iraisany amin’izy efa-dahy, samy mpitandro filaminana, niasa tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia ny fitazonana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy, fanimbana fananam-bahoaka ary fanohintohinana ny filaminana anatiny. Raharaha izay tsy voatsara mandrak’ity ny anio. Ao Antanimora avokoa ireo iray dosie amin-dRalitera Andrianandraina. Voasokajy ho anisan’ny gadra politika izy ireo, ary ela nitazonana am-ponja tsy voatsara nefa tsy nomena fahafahana vonjimaika na teo aza ny fangatahana nataon’ny mpiaro azy sy ny fianakaviany.

Jean D.

Sary : Ralitera Andrianandraina nentina teny amin’ny Fitsarana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT