Ny amin’ny fidirany kianja ao amin’ny Magro Behoririka, ny fifidianana ho avy, ny raharaham-pirenena amin’ny akapobeny, nisy ny dinika nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’i Guy Maxime Ralaiseheno, Ben’ny tanànan’Ankaraobato sady filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanàna eto Madagasikara. Dinidinika.
Tia Tanindrazana (TT) : Fahagagana ho an’ny maro ny nahita an’izany Ralaiseheno Guy Maxime izany, hiditra an’ny Magro. Inona no
Ralaiseheno Guy Maxime (RGM) :
TT : Misolotena ireo Ben’ny tanàna ao amin’ny AMM fikambanana tarihinao ianao no ao sa fandraisan’anjaranao samirery ?
RGM : Misolo tena tanteraka ireo Ben’ny tanàna mivondrona ao anatin’ny fikambanana AMM ny tenako amin’ny maha filoha ahy, ary atsy ho atsy dia hisy ny fahatongavan’ireo Ben’ny tanàna manerana ny Nosy.
TT : Tsy vao mainka hanasarotra ny fiverenanao handray ny toerana maha Ben’ny tanàna ao Ankaraobato ve izao fanapahan-kevitrao izao ?
RGM : Marihiko fa tsy misy hifandraisana mihitsy ny asa maha Ben’ny Tanàna ahy sy ny maha olom-pirenena tsotra ahy sy ny maha filohan’ny fikambanana ahy. Voalaza ao anatin’ny lalàmpanorenana na ny teo aloha na ity sarintsarin’ny lalàmpanorenana tamin’ny 17 novambra farany teo ity fa malalaka ny fanehoan-kevitra ary iantohan’ny fanjakana izany. Ka atao resabe fotsiny ve izany ?
TT : Misy ireo vondron’olona mihevitra fa aleo mifanatona dia mifampiresaka mangina, ianareo anefa nisafidy ny hitabataba ivelan’ny efitrano. Tsy matoky izay ho fanapahan-kevitry ny SADC hivory ato ho ato angaha ianareo ?
RGM : Efa fantatra fa tsy hisy mihitsy ny “reconnaissance” ny FAT ka izay no tsy maintsy ametrahana tetezamita tsy miankina eken’ny rehetra dia tsy Andry Rajoelina izany. Izany no mahatonga anay tsy mijanona raha tsy miala i Andry Rajoelina satria efa nanao fahotana mahafaty teto amin’ny tany sy ny firenena ary tsy nisy vahaolana noentiny nandritra izay fotoana izay.
TT : Mafana fo raha ny fahitana ianao, ianao rahateo mbola tanora, efa nidiranao fonja anefa ny fihetsiketsehana toy io, ka tsy matahotra ny hosamborina indray ve ?
RGM : Raha tsiahivina dia fanehoan-kevitra no nisamborana ahy. Meloka ve izany eto amin’ny tany sy ny firenena ary izany no nilazana fa ireo filoha teo aloha dia nanao jadona ka tsy jadona koa ve izany raha toa ka mbola hisy ny fisamborana ? Raha ny tenako dia tsy mba matahotra izany fa mijoro ho an’ny fahafahan’ny Madagasikara.
TT : Mihantsy ireo mpitondra FAT ianao amin’ny fifidianana hoavy eny Atsimondrano eny. Ianao ve mihevitra fa ho afaka handray anjara amin’izany akory amin’ity sazy mihatra aminao ity ?
RGM : Marihiko fa raha ny lalàna dia tsy meloka aho satria mbola eny amin’ny Tribonaly ny raharaha noho izany dia afaka ny hifaninana tsara aho amin’ny fifidianana hoavy.
TT : Teny farany
RGM : Manao antso avo aho ho an’ny olom-pirenena rehetra fa fotoana handraisana andraikitra ho an’ny hoavy maharitra ho an’ny vahoaka Malagasy izao ka tsy ho fola-mandefitra amin’ny tsy rariny ataon’ny mpamboly jadona vaovao eto Madagasikara.
Nangonin’i Jean D.
Sary : Ralaiseheno Guy Maxime, Ben’ny tanànan’Ankaraobato
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.