Politique

Ralaiseheno Guy Maxime Handray asa amin’ny maha Ben’ny tanŕna azy anio


  • Alatsinainy 24 Janoary 2011

Nivoaka ny fonja ny sabotsy teo Ralaiseheno Guy Maxime, Ben’ny tanŕnan’Ankaraobato distrikan’Antananarivo Atsimondrano sady filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanŕna manerana ny Nosy (AMM) rehefa namita ny saziny roa volana teny Antanimora.

 Nitsena azy teo am-pivoahana ny fonja ireo Ben’ny tanàna namany vitsivitsy izay nisalotra samboady ankoatra ireo mponinan’Ankaraobato sy ny fianakaviany. Anio maraina dia efa hiditra birao handray ny asany amin’ny maha Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka azy Ralaiseheno. “Mbola madio eo anatrehan’ny lalàna ny tenako satria nampakatra fitsarana ambony aho izany hoe mihantona iny didim-pitsarana manasazy ahy iny”, hoy izy.

Vao mainka moa toa manamafy ny fahavononany hiasa ho an’ny vahoaka ny fidirany teny Antanimora satria mbola vonona hirotsaka hofidiana ny tenany amin’izay fifidianana manaraka eo raha ilain’ny vahoaka. “12 taona no efa nidirako tao anatin’ny tontolo politika ka vao mainka aho hiroso amin’ny lalindalina kokoa. Hatramin’izay dia fitakian’ny olona hatrany no nahatonga ahy ho kandida Ben’ny tanàna ka miankina amin’ny hetahetan’ny vahoaka ny hirotsahako indray”. Raisiny ho fandresena ho an’ny Ben’ny tanàna kosa ny fihemoran’ny fifidianana Ben’ny tanàna izay tokony ho notontosaina ny 20 desambra 2010 lasa teo satria tsy nisy na dia iray aza ny Ben’ny tanàna nametraka taratasy filatsahan-kofidiana. Nandefa hafatra ho an’ny mpitondra koa ny tenany izay nanambara fa tokony handinika lalina rehefa mandray fanapahan-kevitra momba ny raharaham-pirenena amin’ny alalan’ny fihainoana ny hevitry ny olon-drehetra fa izay no maha demokrasia ny demokrasia.

Sary : Ralaiseheno Guy Maxime teo am-pivoahana ny fonjan’Antanimora
 
Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT