Politique

Rakotoarison Vincent Vladimir «Tsy tokony handray karama be ny olom-boatendry»


  • Talata 01 Febroary 2011

Ho an’ny ATTAF na Aingaben’ny Tia Tanindrazana ho an’ny Fampandrosoana, izay antoko vao niforona ary tarihan’Atoa Rakotoarison Vincent Vladimir dia tokony ho tambin-karama arakaraka ny fivoriana ataony fotsiny no omena ireo mpikambana ao amin’ny CT sy ny CST fa dia atokana hanasoavana sy hanampiana ny vahoaka ny vola be raisin’izy ireo isam-bolana.

Raha tena tia tanindrazana marina ny mpanao politika Malagasy, hoy Atoa Rakotoarison Vincent Vladimir dia mahavita mihafy tahaka ny nataon’ny vahoaka tato anatin’ny roa taona izao, ary manana fandavan-tena tsy handany ny volam-bahoaka fa hanome izany hanasoavana ny mpiara-belona. Raha araka ny nambaran’i Sareraka tokoa mantsy dia farafahakeliny 1 500 000 ariary isam-bolana ny karaman’ny mpikambana ao amin’ny CST, latsaka kely noho izay ny ao amin’ny CT. Ilay vata-karama fotsiny io resahana io, fa mbola misy ny tapakilan-tsolika ana hetsiny isam-bolana, azo avadika vola tsara ary misy mihitsy amin’ireo olom-boatendry no manao izany eny amin’ireo toby fivarotan-tsolika. Ary mbola misy ny zavatra hafa mety hahafahana mamoaka vola.

Raha natao ny kajy tsotsotra dia mety ho 2 ka hatramin’ny 3 tapitrisa ariary isam-bolana ny vola azon’ny mpikambana iray ao amin’ny CST, izany hoe tsy latsaky ny 200 tapitrisa ariary isam-bolana eo ho eo ny tetibolan’ny CST ho an’ny tombontsoan’ireo mpikambana ao aminy fotsiny. Misimisy ihany izany vola izany ho an’ireo very asa sy tsy ampy sakafo ary mitrongy vao homana isan’andro. Ny manahiran-tsaina ny olon-tsotra dia tsy arakarak’izany vola be raisin’izy ireo izany ny fomba fiasan’ireto olom-boatendry ireto amin’ny famahana ny krizy sy fanasoavana ny mpiray tanindrazana aminy, fa toa vao mainka aza lalaovin’izy ireo ny fiainam-pirenena, ary misy mihitsy aza amin’izy ireo ny manao kajikajy fa mety mbola haharitra 5 taona, hono, ity tetezamita ity.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT