Politique

Rajoelina tao Analavory Manao resaka mamato-tena


  • Alatsinainy 30 Mey 2011

Nirehidrehitra ny tenin’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, tao Antanetimboahangy, Kaominina Analavory, Faritra Itasy ny sabotsy 28 mey teo

 Difotry ny kabary politika hatramin’ny Santabary 2011 foto-draharaha tao an-toerana tamin’io, satria dia nampiaka-peo ny lehilahy raha niresaka fihaonana hatao any Gaborone sy sori-dalan’ny tetezamita. Tonga hatrany amin’ny filazana fa avelao hijanona any ivelany any izay tsy vonona hanao sonia fa tsy mila azy ny Malagasy sy ny mpanao politika Malagasy. Tsy nanonona anarana nivantana moa i Andry Rajoelina, ka asa hoe iza no tiany hambara ? Atoa Marc Ravalomanana ? Ny andron’ny zoma 20 mey nanapahan’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC nivory tsy ara-potoana tany Windhoek ary nanapaka fa hisy fihaonana any Gaborone, anie izy dia efa nanambara fa hihazo an’i Gaborone, tsy nametraka fepetra e ? Ny Profesora Zafy Albert ? Ity farany koa anie ka efa nanamafy fa hihazo ny renivohitr’i Botswana koa. Ny Amiraly Didier Ratsiraka ? Angamba ! Nefa na ireo mpiara-dia amin’ity farany efa nilaza fa fanasana sisa andrasany dia lasa izao. Ka iza ary ?

Ny fantatra aloha dia nampiantso mpanao gazety teny an-tranony eny Ambatobe i Andry Rjaoelina ny harivan’ny sabotsy 21 mey, ary nilaza fa tsy nanao rangopohy iny sori-dalana iny izy, ary tsy hihazo an’i Gaborone raha tsy mahazo fanasana amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy. Tao Antanetimboahangy dia niteny tamin’ny feo avo sy hentitra ny filohan’ny FAT, fa betsaka ny fandeferana nataony ary ny nandohalika sisa tsy nataony, ka tsy hanaiky horebirebena intsony izy. Mitaintaina toa olona tsy matoky tena raha ny fihainoana azy. Miharihary amin’ireny koa fa tsy nahomby velively araka ny nambara ny fandresen-dahatra nitetezany firenena vitsivitsy tany Afrika tany e ! Ankoatra izay, na i Andry Rajoelina na ireo mpiara-dia aminy dia mamerimberina hatrany fa sori-dalana narafitry ny SADC iny ka tsy misy tokony handavana na hanovana azy indray.

Miaiky anie izany izy ireo fa tsy mbola nisy diniky ny samy Malagasy namoahana sori-dalana tenierana, ary dia mitombina tsara ny hisian’io fihaonana hatao any Gaborone ato ho ato io hahafahana manatanteraka io fampihaonana ny samy Malagasy io, toy izay efa natao tany Maputo sy Addis Abeba. Ka eo no mahatonga hilaza fa mamato-tena ihany i Andry Rajoelina amin’ireny teniny tao Analavory ireny.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT