Hanomboka rahampitso ny fihaonana hataon’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny Sadc.
Anisan’ny hodinihan’izy ireo ary andrasan’ny Malagasy fatratra sy izao tontolo izao koa ny ho fanapahan-kevitry ny Sadc momba an’i Madagasikara manoloana ny krizy politika lavareny efa ho telo taona izao. Manoloana izany indrindra dia naneho ny heviny i Louis Michel, kaomisera eoropeanina sy i David Matongo, filoha mpiara-mitantana ny Assemblée Parlementaire Paritaire na ny APP ho an’ny faritra Afrika-Karaiba, Pasifika sy ny Vondrona Eoropeanina. Miantso ny amin’ny tokony hananganana governemanta tsy miandany, iaraha-mitantana sy tenierana izy ireo ho an’i Madagasikara. Io governemanta io no hanomana ny fifidianana demokratika, mangarahara sy mahaleotena, ho eo ambany fiahian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ka hahafahan’i Madagasikara miverina amin’ny ara-dalàna. Ho azy ireo manko dia mazava ny resaka.
Fitondrana tsy voafidim-bahoaka no mijoro eto Madagasikara ka tsy misy afa tsy ny firosoana amin’ny fiaraha-mitantana, tenierana ary ny fahafahan’ny ankolafy politika rehetra mandray anjara amin’izay ho fifidianana eo no hamerina amin’ny laoniny ny fiainana eto Madagasikara sy hamerina ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny Vondrona Eoropeanina rehefa niato nandritry ny roa taona mahery izany noho ny nafitsoky ny fitondrana tsy ara-dalàna, mandeha amin’ny lalan-tokana sady tsy miraharaha ny zo fototra. Ankoatra izay, raha nandahateny tamin’ny fihaonana faha-21-n’ny APP- ACP- UE natao tany Budapest (Hongria) i Louis Michel izay nandinihana manokana momba ny fampandrosoana sy ny fanamafisana orina ny demokrasia dia nasiany resaka ny momba ny fahatongavan’i Andry Rajoelina tany Torkia. Tsy mifanaraka amin’ny etika tokony harahina ny nametrahana an’i Andry Rajoelina teny amin’ny latabatry ny manan-kaja, hoy ity filohan’ny APP ary dia miandry ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tenany hihetsika, handray fepetra hentitra manoloana ireo maka fitondrana amin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana. Mila hajaina ary zaraintsika ny hoe demokrasia, hoy izy. Demokrasia izay mifototra amin’ny fanajana ny zon’ny tsirairay, ny fahalalahana miteny sy mivondrona, ny fisarahan’ny fahefana, ny fisarahan’ny fiangonana sy ny fanjakana. Soatoavina iombonana eran-tany ireo, hoy izy.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.