Nitsoriaka tany Onjatsy, Kaominina ambanivohitra any Vohipeno izay tanindrazan’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina ny delegasiona notarihin’i Andry Rajoelina ny marainan’ny sabotsy teo, nialoha ny nigadonany tao Vohipeno rehefa avy nandalo tany Vangaindrano sy Farafangana, nitondra fanampiana (?) ho an’ny traboinan’ny rivodoza Bingiza.
Tsy nampoiziny anefa ny zava-nitranga tany satria dia sorabaventy maro mitaky ny hamoahana ny kolonely Charles no nitsena azy. Vitsy rahateo ny olona tonga tamin’io fotoana io. Nambaran’ireo izay tonga indray anefa fa tsy fanampiana no tadiavin’izy ireo fa ny zanak’izy ireo mivoaka ny fonja. Tsy nisy hitombenana ny filohan’ny FAT, zara raha nahavita nandray fitenenana ny Ben’ny tanàna fa noraisiny avy hatrany ny fitenenana nanolorany kimaimaika ny fanomezana. Notapenam-bava ny Ampanjaka Satagnanahomby, lefitra voalohan’ny Ampanjaka Andrianony, mihefy iny Faritra iny izay efa voalahatra handray fitenenana.
Vao mainka nampitombo ny hatezeran’ny vahoaka io toe-javatra io. Mety ho azoazon’ny filohan’ny FAT an-tsaina izany, ka zara raha nisy 10 minitra no nijanonany tao Onjatsy dia lasa izy. Mety ho izay koa no tsy nahatafatombina azy tao Manakara na dia efa nanaovana famandrihana, hialany sasatra, aza tao amin’ny Sidi Hotel. Nihazo ny seranam-piaramanidina avy hatrany izy ary niverina taty Antananarivo.
Re koa fa niafara tamin’ny romoromo ny fandalovany tany Vangaindrano. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nasaina nitondra harona ny olona avy any amin’ny Kaominina samihafa tany, fa hoe tsy hisy diso anjara fanomezana avy amin’ny filohan’ny FAT. Nirohotra tokoa ny olona, kinanjo sady olom-bitsy no izay fantapantatry ny mpikarakara ihany no nahazo fanampiana, fa ny ankamaroany dia niveri-maina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.