Politique

Rajoelina sy Yves Aimé Tsy mifanaraka sahady


  • Zoma 15 Aprily 2011

Any Tolagnaro hatry ny omaly, mitarika ny iraky ny governemanta manao fitetezam-paritra hampahafantatra sy hanazava ilay tondrozotra vita rangopohy teny Ivato, hitantanana ny tetezamita ny Minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, Rakotoarison Yves Aimé na i Mémé araka ny ahafantaran’ny maro azy.

Miara-dia aminy i Reboza Julien, minisitry ny rano sy Razafimbelo Alain, minisitry ny asa vaventy, izay samy zanak’iny faritra atsimo iny. Voaresaka nandritra ny dinikasa niarahan’izy ireo tamin’ireo manampahefana ao an-toerana, tao amin’ny lapan’ny tanànan’i Tolagnaro, omaly tolakandro ny fifidianana. Nolazain’i Mémé fa afaka 11 volana aorian’ny fahavitan’ny fanitarana ireo andrimpanjakana amin’ny alalan’ny fanatevenana ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Kongresy, CENI, sns no hanatanterahana ny fifidianana. Nambarany fa dia mety ho any amin’ny volana mey 2012 any izany. Filazana izay nanaitra ny maro ihany. Ny zava-misy mantsy dia mivoy mafy ny hanatanterahana ny fifidianana amin’ity 2011 i Andry Rajoelina sy ny FAT ka hampiarahana ny fifidianana depiote sy ny filoham-pirenena.

Raha nihaino ny fanazavan’ny Me Rakotomanana Hery, filohan’ny CENI, indray koa anefa dia nilaza izy omaly, fa mila enim-bolana ry zareo CENI hahafahany mikarakara fifidianana ara-dalàna. Raha atao ny kajikajy dia any amin’ny volana novambra any vao vonona izy ireo. Efa milatsaka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana indray anefa izany, izay mifanohitra amin’ny voalazan’ny lalam-pifidianana nampiharina tamin’ny 17 novambra 2010. Miharihary eto fa tsy miray feo ny samy mpitondra amin’io resaka fifidianana io. Mazava izany fa dia fampisavorovoroan-tsaina avokoa ny resa-pifidianana atao totoafo amin’izao fotoana, fa na ny samy mpitondra aza tsy mifanaraka fa samy hafa filaza.

 
Jean D.
 
Encadré
 

Feno sorabaventy mitaky ny hanesorana amin’ny toerany ny Lehiben’ny Faritra teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’i Tolagnaro omaly, nandritra ny famoriam-bahoaka nataon-dry Mémé tao an-toerana. Any an-toerana saingy tsy nanatrika ity fanazavan-kevitra ity i Kaleta. Mifandrafy ara-politika amin’i Yves Aimé Rakotoarison sy Reboza Julien rahateo ny tenany. Hihazo an’Amboasary ireto delegasiona ireto anio, ary hitohy ao Ambovombe ny diany rahampitso sabotsy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT