Politique

Rajoelina sy Vital Tonga amin’ny tsotsorimamba isarahana


  • Alakamisy 27 Janoary 2011

Hifarana eto ny fiarahan’i Andry Rajoelina sy Camille Vital anaty fitondrana rehefa niara-dalana tao anatin’ny 13 volana teo izao.

Vao mainka nanalavitra ny fitondran’i Andry Rajoelina mantsy ilay fankatoavana iraisam-pirenena noheveriny fa ho tonga mora ho azy taorian’ny fanolosoloana ny rafitra sy ireo mpikambana tao anatin’izany, izay novoizina mafy fa efa taratry ny fisokafana sy fiaraha-mitantana. Ny zava-nisy anefa dia nihidy nanaraka ny tsy fisian’io fankatoavana iraisam-pirenena io avokoa ny famatsiam-bola ivelany ary nanakatom-baravarana koa ireo mpampiasa vola vahiny, ny efa teto aza nitsoaka, indrindra taorian’ny nahatapahan’ny AGOA. Nanao izay faraheriny i Andry Rajoelina sy ireo mpanolotsainy, nikaroka lalam-bola sy fiaraha-miasa tatsy sy taroa, mba hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Lany fotoana fotsiny anefa, fa vao mainka indray aza niakatra andro aman’alina ny vidim-piainana, nirongatra ny asan-jiolahy, nitotongana ny fihariana ary dia tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Vokatr’izay dia mitombo ny fahasorenana sy ny hatezeran’ny vahoaka ary eo ambavahoan’ny savoritaka ara-piarahamonina i Madagasikara ankehitriny ary ny ahiana dia hifandrafy eto ny samy Malagasy.

Tsy manan-tsafidy i Andry Rajoelina raha tiany ny tsy hisehoan’izany eto. Tsy hanome rariny azy rahateo ny fisian’ireo ampamoaka sesilany, sy izay mbola ho avy eo, nataon’ireo mpiara-dia taminy namaky bantsilana ny fandrombaham-pahefana teny an-dalambe ny taona 2009. Ny fifamelana, ny fibabohana eo imason’ny vahoaka Malagasy sy ny firenena manontolo amin’izay fahadisoana politika teto, ny manao fifanarahana hisian’ny fitoniana ara-politika sy ara-piarahamonina ka anisan’izany ny aministia, ny tsy fitsabahan’ny miaramila amin’ny raharaha politika, ny fananganana tetezamita iraisana hikarakara fifidianana malalaka, madio, mangarahara ary eken’ny rehetra hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena no lalana amin’izany. Tsy mamaly izay fepetra izay anefa ny jeneraly Camille Vital, noho izy sady efa niandany tamin’i Andry Rajoelina no miaramila ihany koa.

Ny lojikan’izay dia tonga eo amin’ny tsotsorimamba isarahana ny roa tonta. Na izany aza anefa dia re fa tsy hanaiky mora izany i Camille Vital, izy izay efa nanao pi-maso tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny nilazany ampahibemaso nandritra ny lanonana fifampiarahabana teny Iavoloha ny zoma 14 janoary, fa vonona hanohy fiaraha-miasa. Pi-maso izay nialohavana famoriana mpanao politika teny Mahazoarivo avy eo narahana fanambarana samihafa toy ny hoe misy manamboninahitra lefitra manohana ny hijanonany ao Mahazoarivo, ankoatra ny nambaran’ny TGV izay manolotra azy ho amin’io toeran’ny Praiministry ny marimaritra iraisana io ary vao omaly koa ireo lehiben’ny Faritra. Etsy ankilany anefa dia manaloka koa ny anaran-dry Mangalaza Eugène, Alain Tehindrazanarivelo, Jules Etienne… ka maha sanganehana an’i Andry Rajoelina, na tsy tompon’ny teny farany aza izy fa tsy maintsy ifanarahana amin’ireo mpitarika ankolafy hafa sy ny vondrona politika maro raha mbola tenierana koa no ifampitondrana eto.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT