Nahazo ny hafatra havia havanana Raharinaivo Andrianatoandro nandritra ny diany niaraka tamin’i Andry Rajoelina tany Namibia sy tatsy Maputo Mozambika. Tany Windhoek aloha dia efa notsenain’ny filoha namibianina Hifikepunye Lucas Pohamba tamin’ny fantsy, fa tsy izy no nifanarahana ka nankatoavin’ny SADC ho filohan’ny Kongresy.
Nohamafisin’ny filoha Pohamba tamin’izy ireo fa mbola manankery izay nifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba. Nanamafy izay ny filoha Ravalomanana raha niditra an-telefaonina nitafa tamin’ny vahoaka vory maro tao amin’ny Magro Behoririka omaly, namintina ny dian’ny delegasiona nalefany tany Namibia sy ny diany tatsy Maputo Mozambika. Mafimafy noho io ny fantsy politika niandry an-dRaharinaivo tatsy Maputo nandritra ny fihaonana tamin’i Joaquim Chissano. Tsy nitsitsy fitenenana ity filoha mozambikanina teo aloha ity, izay nilaza fa tsy manda raha ny toerana nisy an-dRaharinaivo tao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara, saingy na tanan-kavia na tanan-kavanan’ny filoha Ravalomanana izy dia fahadisoana politika goavana izao ataony izao, izay voatery mitantara ny raharaha tokantrano amin’ny fahavalo politika. Mazava, araka izany, fa tsy lafo tany amin’ny SADC Raharinaivo, raha nentina hisehoana fa fitondrana iaraha-mitantana sy misokatra ny tetezamita mijoro eto. Tsy nahagaga raha nitsoaka an-dRavalo fotsiny no nataon’izy ireo tatsy Maputo, fa tsy handamina krizy. Niala maina hatramin’ny filoha Joaquim Chissano izay niezaka ny hampifanatona azy tamin’ny filoha Ravalomanana aza, mba hahitana marimaritra iraisana noho izy ireo fototry ny krizy.
Miharihary amin’izao fa “tsy isika no sakana fa izy”, hoy ny filoha Ravalomanana omaly. Na izany aza dia nilaza ity farany fa na oviana na oviana ary na aiza na aiza dia vonona hatrany amin’ny fifampidinihana izy hikatsahana ny tombontsoam-pirenena. Nohamafisiny indray fa tsy ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena ny sori-dalana nataon’i Simao sy ny tatitra nataony fa sady manilikilika no mamilivily ny Ankolafy telo, nefa manindraindra mpanongam-panjakana. Ny hanome ny fomba fijeriny sy fanamarihana mikasika io tatitra nataon’ny Dr Simao amin’ny Troika io indrindra no anisan’ny anton-dian’ny filoha Ravalomanana tao Maputo ny talata sy omaly alarobia, ka nanolotra izany an-tsoratra tamin’i Joaquim Chissano. Nohamafisiny tamin’io fihaonana io koa fa tsy nanaraka fenitra fanao amin’ny fanelanelanana iraisam-pirenena ny asan’ny Dr Simao nandrafetana iny sori-dalana iny.
Tsy maintsy zavatra manara-penitra no hirosoana amin’ny fikarakarana fifidianana ary tsy hanaiky isika, hoy ny filoha Ravalomanana ary “tsy manaiky isika raha tsy mandray anjara amin’ny fifidianana ho avy eo ary handresy”. Nanasa an’i Joaquim Chissano ho avy eto Madagasikara ny tenany, hijery imaso ny zava-misy. Araka ny fantatra mantsy dia tamin’ny 27 aogositra 2010 i Chissano no teto farany. Nilaza anefa ity lehiben’ny mpanelanelana ity fa tsy mbola afaka ho any, satria mila zavatra mivaingana ny Malagasy. Valin-teny diplaomatika saingy milaza mazava fa na izy aza tsy mbola resy lahatra amin’ny vahaolana naroson’ny iraka nalefany teto dia ny Dr Leonardo Simao izany. Mbola betsaka, araka izany, ny zavatra mety hiova alohan’ny fivoriana an-tampony tsy ara-potoanan’ny SADC amin’ny 20 mey. I Andry Rajoelina rahateo nilaza, teo am-pahatongavana teny Ivato omaly, fa hiroso amin’ny fanitarana ireo andrim-panjakana najorony ato anatin’ny herinandro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.