Politique

Rajoelina – Ravalomanana Iza no tena mila AMNISTIA ?


  • Alakamisy 17 Febroary 2011

Vao misy hoe hody i Dada dia efa mijoro ny ministry ny FAT hoe «hitsangana ny fitsarana, ary tsy horebireben’ny politika».

Dia lasa ny saina aman’eritreritra ary manontany tena ihany hoe «fa nanao inona marina moa iny rangahy iny ?».  Niaro ny fananam-panjakana mba tsy nisian’ny fandrobana nihoa-pampana tamin’ny 7 febroary ? Niezaka nampandroso ary tsy mba nandainga tamin’ireo vahoaka nentiny ka nampanantena tsy misy tahaka ny ankehitriny ? Niady tamin’ny kolikoly mba tsy hisian’ny mpanao politika tsy voafehy ka hanao fanaparam-pahefana etsy sy eroa tahaka ny amin’izao fotoana ? Dia hoy ny sasany hoe «satria nahafaty namono olona efapolo dia nahavita heloka bevava». Fa ny mahavariana mantsy dia ity, tsy fitiavana hanisa faty na hampitaha fa ny zava-misy kosa dia  tsy azo kosehina. Tsy efa ho fitopolo mahery ve ny maty tamin’ireny «26 janoary 2009» ireny, ary fananam-panjakana amina miliara no very, olona an’arivony no very asa, sy ny sisa tsy hay hotanisaina.

Na dia olona tsy mahay manisa sy mampitaha ary ve tsy hahalala fa iny «Alatsinainy Mainty» iny dia zava-doza lavitra noho ny «7 febroary 2009» ? Nefa aiza ny fitsarana manoloana izany fotoana ratsy izany ? Mba misy dosie miresaka momba izany ve sa afenina mafy ? Voavidy vola ve ny mpitsara sa minia mikimpy tsy hahita fotsiny ny zava-niseho ? Nahoana no nihazakazahana ny fitsarana ny raharaha “7 febroary” fa nampanginina ny “26 janoary” ? Fanontaniana maro tsy voavaly izany nefa dia mitoetra anatin’ny sain’ny tsirairay. Miandry inona ny fitsarana vao hijoro tsy voarebirebin’ny politika marina ? Tsy mbola notanisaina ilay mpivaro-boky namoy ny ainy teny Ambohijatovo, ny teny Anosy sy ireo teny amin’ny raharaha FIGN...

Tsy adinon’ny maro ihany koa ny habibiana natao tamin’ny praministr’i Dada tao amin’ny Carlton, ireo Parlemantera teny Ambatoroka, ny talen’ny fiarovana ny HCC tamin’izany fotoana izany, sady naseho fahitalavitra. Roa taona aty aoriana, nisy ny taratasy fieken-keloka sy fijoroana vavolombelona nataona manamboninahitra nafana fo tamin’ireny. Koa raha hiresaka famotsoran-keloka sy heloka bevava isika, iza no tena diso ary iza no tena mila AMNISTIA ? Samia mandinika !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT