Politique

Rajaonah Andrianjaka «Avelao hiditra an-kalalahana eto izy ireo …”


  • Alarobia 15 Jona 2011

Taorian’ny fivoriana tany Gaborone sy ny fehin-kevitra navoaky ny Sadc tany Sandton farany teo dia mametra-panontaniana ny Otrikafo manao hoe : moa va manana hasina ihany ny fahefan’Atoa Andry Rajoelina, fa toa miandry lava ny fanapahan-kevitry ny avy any ivelany foana vao manao zavatra sy sahy manapa-kevitra ?

Ho an’ity fikambanana ity, araka ny nambaran’ny filohany Rajaonah Andrianjaka, dia mila sahy manohy ny lalany araka ny nampanantenainy ny vahoaka teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey i Andry Rajoelina fa tsy mihaino intsony izay ambaran’ny Sadc na ny vondrona Afrikanina sy ireo fikambanana iraisam-pirenena hafa. Ho an’ny Otrikafo mantsy dia mpanjanatany amin’ny endriny vaovao ireo fikambana iraisam-pirenena milaza fa manelanelana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika ireo ka tsy tokony handray baiko avy aminy mihitsy ny Malagasy. Mikasika kosa ny ho fodian’ireo filoha te aloha eto an-tanindrazana dia nanambara Atoa Rajaonah Andrianjaka fa avelao hiditra an-kalalahana eto izy ireo dia samy hotsaraina.

Tsy tokony hisy ny mizana tsidrian’ila araka ny nambarany ihany fa samy atolotra ny fitsarana na Atoa Ratsiraka, na Atoa Ravalomanana satria samy nahavita heloka bevava tamin’ny vahoaka malagasy sy ny firenena izy ireo. Mihoatra lavitra noho ny olona maty tamin’ireny 2009 ka hanamelohana an’i Marc Ravalomanana ireny ny olona maty sy tsy hita popoka tamin’ny Repoblika faha II notantanan’ny amiraly Ratsiraka, araka ny ambaran’ity filoha mpitarika ny Otrikafo ity. Tsy tokony hisy mihitsy ireo tsimatimanota, hoy Rajaonah Andrianjaka fa rehefa nanao ny tsy nety dia tsy maintsy tsaraina sy gadraina na iza na iza. Raha iampangana an-dRavalomanana moa izany ny vono olona teny Ambohitsorohitra, dia iza no tompon’antoka tamin’ny olona maty teny Ambohijatovo, Anosy, Analakely tamin’ny 2009, sy ny teny amin’ny FIGN tamin’ny 2010 ireny ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT