Basy atifi-kavana ny fanambarana politika nataon’ny Profesora Zafy Albert omaly tao amin’ny «Villa Elisabeth» Ivandry, nandritra ny fientanam-be nataon’ny Ankolafy telo teny an-toerana.
Teo anatrehan’ny vahoaka an’arivony no nilazan’ity rain’ny demokrasia ity fa «tsy misy fitondrana ara-dalàna eto», ary «efa ela i Andry Rajoelina no tsy tokony hitondra» an’ity Madagasikara ity. Tsy ara-dalàna ary tokony horavana, hoy izy, ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ary niantsoany ny tafika mihitsy moa hanidy izany. Tamin’ny tehaka mirefodrefotra no nandraisan’ny vahoaka sy ireo mpanao politika maro, nahitana filohan’antoko, parlemantera teo aloha, Olobe sy Tangalamena, tonga teny an-toerana izany. Rehefa izay dia nambaran’ny Pr Zafy Albert fa miomana izy ireo, fa “ato ho ato, dia hanangana rafitra tetezamita”. Hivory ny teknisianina handinika ny fametrahana izany, hoy izy.
Fa mialoha izay dia hisy taratasy haterin’ny delegasiona avy amin’izy ireo any amin’ny masoivohon’ny Firenena Mikambana eny Andraharo ary amin’ireo masoivohon’ny firenena lehibe. Io taratasy io dia mirakitra ny filazana ny antonanton’ny ilana fifanarahana vaovao mba hivoahana amin’izao krizy izao. Ny Dr Manoro Régis, mpitondra tenin’ny Ankolafy Zafy no namaky io taratasy io, izay tamin’ny teny frantsay ranoray, milaza fa tsapa fa nandamoka avokoa ireo dinika rehetra natao teto mba handaminana ny krizy, izy nanomboky ny FFKM ka hatramin’ny fihaonambem-pirenena nandalo tamin’ny Maputo sy Addis Abeba. Voatery antsoina indray amin’izao fotoana izao ireo vondron’olona hafa hiaraka hidinika. Fantatra anefa fa ny fifanarahana teo aloha dia tsy mamatotra afa tsy ireo nanao sonia an’izany, araka ny voarakitr’io taratasy io, izay manoritsoritra amin’ny antsipirihiny fa ny zava-misy dia mampieritreritra fa tsy ara-drariny intsony ny fahefan’ny filohan’ny tetezamita ankehitriny satria ny didy hitsivolana laharana 2009-001 tamin’ny 17 martsa 2009 namindrana ny fahefana tamin’ny “Directoire militaire” sy ny didy hitsivolana laharana 2009-002 tamin’ny 17 martsa 2009 namindrana ny fahefana tamin’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ankehitriny mandritra ny 24 volana (izany hoe : hatramin’ny 18 martsa 2011) dia noravan’ny didy hitsivolana laharana 2009-009 tamin’ny 8 septambra 2009 izay mampanaiky ny Satan’ny tetezamita tany Maputo ka nametrahana an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita mandritra ny 15 volana (izany hoe hatramin’ny 08 martsa 2010). Io didy hitsivolana farany io anefa dia noravan’ny didy hitsivolana laharana 2009-012 tamin’ny 18 desambra 2009 izay mitsipaka ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba. Ny andininy faha-166 andalana faha-4, amin’ny lalàmpanorenana nofinidy tamin’ny 17 novambra 2010 indray anefa dia milaza fa mandrapahavoafidy ny filohan’ny Repoblika vaovao dia mijanona lehiben’ny fitondram-panjakana ny filohan’ny tetezamita ankehitriny.
Ny fahalanian’io lalàmpanorenana vaovao io anefa no manafoana ny voalaza ao amin’ny satan’ny tetezamita hoe : 08 desambra ny tokony hifarana ny tetezamita. Azo lazaina izany, hoy ny voarakitry ny taratasy halefa any amin’ireo masoivoho samihafa ireo fa tamin’ny 11 desambra 2010, daty nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fahalanian’ny lalàmpanorenana, dia tsy filohan’ny tetezamita intsony i Andry Rajoelina ka tsy afaka hanohy ny asan’ny lehiben’ny fitondram-panjakana. Rehefa izay dia niantso ny tafika ny Pr Zafy mba hijoro ho tena tafi-bahoaka tokoa, fa tsy ho hery famoretana ka hamela ny olona haneho hevitra an-kalalahana.
Fa niditra an-tariby nivantana nandritra ity fihaonana ity ny filoha Ravalomanana. Nilaza fa manohana ny hetsika ataon’ny ankolafy telo ny tenany, ary nanentana amin’ny hisian’ny firaisankina hatrany. Nifandimby nandray fitenenana talohan’izay i Manandafy Rakotonirina, Lalatiana Ravololomanana, Printsy Elakovelo, Rtoa Marthe, Manoro Régis, Rév Andriamanampy dia samy nanamafy fa vonona hatrany ny hifampidinika an-databatra boribory hitady vahaolana amin’ny krizy ny Ankolafy telo saingy mihevitra izy ireo tsy hampisy fahatoniana eto velively iny sori-dalan’i Simao iny. Nitaky ny hamelana malalaka ny filoha isany Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka hiverina an-tanindrazana koa izy ireo. I Manandafy Rakotonirina no nanisy teny amin’ny tsy tokony hitsabahan’ny ambasadaoro frantsay Jean-Marc Châtaigner, sy ny iraky ny SADC, Dr Leonardo Simao, amin’ny raharaha tokantranon’i Madagasikara. Rtoa Lalatiana Ravololomanana kosa nanamafy ny hanohizana ny tolona amin’ny fitakiana ny hamoahana ireo gadra politika na sivily na miaramila, izay raha ny nambarany dia misy 44 any Tsiafahy ary 66 ao Antanimora, ka tranainy indrindra amin’izany ary tsy mbola mitsara Ralitera Andrianandraina.
Tamim-pilaminana sy fahatoniana tanteraka no nizoran’ity hetsika politika tao amin’ny Villa Elisabeth omaly ity. Tazana teny manodidina teny ihany anefa ny Emmo-Reg. Ny Pr Ange Andrianarisoa no nitarika ny delegasion’ny avy amin’ny ankolafy Ratsiraka, Fetison Rakoto Andrianirina no nitarika ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana izy tenany Pr Zafy Albert sy Dr Emmanuel Rakotovahiny no nitarika ny ankolafy Zafy Albert.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.