Politique

Raiamandreny Mijoro Miketrika ny hananganana ny Komitin’ny fampihavanana ny Malagasy


  • Alarobia 09 Febroary 2011

Tonga nihaona tamin’ireo mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny lalŕna, vaomieran’ny fampihavanam-pirenena ary ny vaomieran’ny fametrahana ny repoblika fahefatra eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny Raiamandreny Mijoro omaly talata 08 febroary.

Nitarika ny fihaonana ny Kestora faharoa, Ravelonjato Bernard. Ny anton’ny fivoriana dia ny fomba ahafahana manangana ny Komitin’ny fampihavanana ny Malagasy mba hahafahana mampisy ny fitoniana maharitra eo amin’ny fiarahamonina sy eo amin’ny mpanao politika. Nisy ny famelabelarana sy fanazavana momba ity komity ity araka ny volavolan-kevitry ny Raiamandreny Mijoro. Voalazalaza ao ny tanjona, ny andraikitra, ny firafitra, ny fampandehanana ny komity, ny sata mifehy ny mpikambana ao aminy, ny tetibola hoenti-miasa ary fandrindrana samy hafa. Fanazavana ihany no nataon’ny Raiamandreny Mijoro fa mbola hodinihin’ny mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny lalàna, fampihavanam-pirenena ary ny fananganana ny Repoblika fahefatra izany volavolan-kevitra izany.

Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT