Politique

Rahery Be, Legalista Matahotra fifidianana ny FAT


  • Alarobia 15 Jona 2011

«Voizin’ny mpanao politika eto amintsika ankehitriny fa ny firosoana amin’ny fifidianana ihany no vahaolana hialana amin’izao krizy iainan’ny firenena izao», hoy Rahery Be, Legalista, mpitolona eny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka.

«Tsy misy mandà izany mihitsy, saingy tsy ho fifidianana hokarakarain’ny fitondrana FAT sy ireo mpanohana azy samy irery no ilaina fa hiarahan’ny ankolafy mpifanandrina eto amin’ny firenena manontolo tsy misy an-kanavaka. Raha tsy ny rehetra mantsy no miara-misalahy dia tsy hangarahara sy tsy hadio ary tsy ho marina izay fifidianana hokarakaraina eo», hoy izy. Tsy misy matahotra fifidianana izany eto, hoy ny fanampim-panazavany raha ny avy aty amin’ny mpandala ny ara-dalàna, fa ny fitondrana FAT sy mpanara-dia azy no matahotra azy io. Ny antony hilazana izany, hoy izy, dia tsy mba miteny ny amin’ny fifidianana eny anivon’ny Fokontany mihitsy ry zareo sy ny CENI nefa io no fototry ny fangaraharan’ny fanaovana lisi-pifidianana eny ifotony.

Tsy atokisan’ny vahoaka mpifidy mantsy, hoy izy, raha tsy olona nofinidiny no midina isan-tokantrano manangona izany lisitry ny mponina ampy taona izany. Malaina, araka izany, ny maro raha vao olona voatendry no ampiandraiketina ny fandrafetana ireny fanisam-bahoaka ireny». «Izahay Légalista izany», hoy Rahery Be, dia manao antso avo hoe : Alefao ny fifidianana filoham-pokontany ahitana izay tena tian’ny vahoaka eto fa tsy ny vava eny amin’ny haino aman-jery no atao be. Fifidianana tsy ilana volabe izany io, hoy izy, fa fiantsoana fivoriambe fotsiny no hatao dia alefa avy hatrany ny fifidianana ho an’ireo izay terem-panahy milatsaka hofidiana na atolotr’olona toy ny mahazatra.

Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT