Politique

Rahelisoa Alphine “Eto izahay mandra-piverin’ny ara-dalŕna”


  • Zoma 25 Febroary 2011


Tsy reraky ny tolona ny vehivavy legalista toa an-dRtoa Rahelisoa Alphine avy eny Alasora fa manatrika tsy tapaka ny hetsika an-kianja hatreny Ambohijatovo ka hatreny Ankorondrano sy Behoririka tato anatin’ny roa taona izay. “Ny vehivavy no mahatsapa ny ngidin’ny fiainana satria izy no mikarakara ny tokantrano”, hoy izy. “Mahatsapa ny tsy mety eto amin’ny firenena izahay no mahatonga anay ho lohalaharana hatrany amin’ny tolona. Mba miezaka mampiana-janaka ny tena hahatafita azy ireo nefa toy ny mpanao afera indray no manjakazaka sy tonga lavitra”. “Mandeha ny tsaho hoe : tsy manan-katao izahay tonga miatrika ny tolona an-kianja isan’andro”, hoy ity vehivavy legalista ity. Diso izany fa manao ny asa andavanandro izahay vao mamonjy ny eny an-kianja nefa na dia miezaka mafy aza ny olona tsy manam-bola. Ka rehefa ny manodidina no tra-pahasahiranana dia miantraika amin’ny rehetra izany. Koa mandra-piverin’ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana dia ho eo foana izahay vehivavy”, hoy izy.

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT