Politique

Raharinaivo Andrianatoandro “Tsy matahotra an-dRavalomanana izany aho !”


  • Alarobia 08 Jona 2011

Raha nanontanian’ny Tia Tanindrazana nivantana mikasika ny tsy nandehanany any Gaborone nanara-dia ny filohan’ny FAT toy izay efa nataony tao ho ao izay ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Raharinaivo Andrianatoandro dia nanambara fa nisafidy manokana ny hijanona mihitsy ny tenany na dia tafiditra tao anaty lisitra aza, ary niteny izany nivantana tamin’ny filohan’ny FAT dia izy nifidy an’Atoa Yves Aimé Rakotoarison hanara-dia azy iny.

 Nambarany fa lehibe loatra ireo volavolan-dalàna efatra nodinihana tao Tsimbazaza, na milaza aza ireo mpikamban’ny Kongresy sasany fa tsy mbola fotoana tokony handinihana sy handaniana ny volavolan-dalàna sasany tamin’ireo izao. «Tsy hoe fahatahorako ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, araka ny feo mandeha koa tsy akory no tsy nandehanako. Tsy misy tokony hatahorako hihaona aminy velively, fa efa im-betsaka izahay no nandresy lahatra azy amin’ny tsy tokony mbola hiverenany an-tanindrazana aloha ho fiarovana azy », hoy Raharinaivo. Mikasika ny trangan-javatra toy ny fifamalian’ireo samy mpikambana ao amin’ny Kongresy mitady hiafara amin’ny fifamelezana totohondry mihitsy amin’ny farany dia nanambara Atoa Raharinaivo fa mpiseho any amin’ny Kongresy rehetra maneran-tany ireny ka tsy mahagaga.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT