Politique

Raharinaivo Andrianatoandro Nitantara ny diany tany Namibia sy Mozambika


  • Talata 26 Aprily 2011

Manana ny fitantarany manokana ny dian-dry zareo tany Namibia sy Mozambika farany teo ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Raharinaivo Andrianatoandro, raha tafaresaka fohy tamin’ny Tia Tanindrazana.

“Tsy marina ny hoe tsy nety nandray anay ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma”, hoy izy fa “noho ny raharaham-panambadian-janany izay maharitra fito andro araka ny fomba zoulou dia nanome fotoana anay ho amin’ny herinandro ho avy izy hanatanterahana izay fihaonana izay. Raha ny marina dia nandefasana taratasy avokoa ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny SADC ka ny filoha namibianina no nahazoana valin-teny voalohany ary indray andro ihany no fotoana tokony ho nijanonana tany dia niverina ny delegasiona notarihan’ny filoha Andry Rajoelina saingy tany an-toerana dia namaly ihany koa ny filoha mozambikanina ary dia niroso tany indray ny dia. Tany Namibia dia nanontany mazava anay ny filoha hoe : nahoana ny Ankolafy telo no tsy nety nandray anjara tamin’ny fandavorariana sy ny fanaovana rangopohy an’ilay sori-dalana natolotry ny Dr Simao ? Tsy nasainareo ve izy ireo sa misy antony hafa ? Nantsoina daholo ny rehetra tsy an-kanavaka saingy tsy tonga ry zareo. Hita an-gazety fa te-hody an-tanindrazana ny Filoha Ravalomanana, ahoana indray ny amin’izay ? Novalianay tsotra fa tsy mbola sitrana ny ratram-pon’ny vahoaka noho ny trangan-javatra niseho vao haingana loatra ka hisorohana ny trangan-javatra hafa mety hiseho sy ho fiarovana ny ainy dia mety aloha ny tsy hodiany any Madagasikara”, hoy Raharinaivo. “Ankoatra ireo dia nomarihanay koa fa efa ela loatra no nitarazohan’ny krizy ka mila faranana ary mila vitaina haingana ny fifidianana hanatanterahana izany. Koa miangavy anareo SADC izahay hanara-maso izany fifidianana izany sy ny zavatra rehetra mba hirosoana any amin’ny Repoblika faha-4 amin’izay. Tany Mozambika dia napetraky ny filoha Armando Guebuza mihitsy ny hoe : tsy afenina aminareo fa nisy ady an-trano taty aminay, tsy maniry izany any aminareo izahay. Sarotra anefa ny raharaha fa samy te ho eo amin’ny fitondrana daholo ianareo rehetra. Ianao aloha no eo izao dia raiso ny andraikitra ! Tokony handray fanapahan-kevitra ianareo fa izahay mpanampy fotsiny. Ireo olona tokony hanohana ny eo amin’ny fitondrana dia tokony hiaraka. Ny nanaitra dia ny amin’ny teny nataon’ity filoha mozambikanina ity hoe tsy maintsy faranana ny krizy ka tokony handray andraikitra ianareo ary mba ho kely ny risika amin’izany”, hoy Raharinaivo Andrianatoandro. “Nisy ny fametraham-panontaniana azo mikasika ny fanendrena ny praiministra Camille Vital ary novalianay fa niverimberina tamin’ny tolo-kevitry ny mpanao politika maro ny anarany ka izay no nifidianana azy”.

 
Tampoka be
 

“Ny zavatra tiako hapetraka, izaho dia mihevitra fa ny fanohanana tondrozotra dia tsy misy zavatra tonga lafatra izany fa izay miditra ao dia te hanala an’i Madagasikara amin’ny krizy. Raha hiditra ao indray anefa ka mitady hitsivalam-pandry dia aleo tsy miditra fa manaova mpanohitra fa efa holaniana ny sata hifehy izany. Ny 100% dia tsy hisy fa rehefa ny 75% no manaiky dia roso ny dia. Ny “consensualité” dia tsy tsangan-tanana fa rehefa mifampiresaka ka lany ny hevitra dia manaiky ny rehetra. Ary ny “inclusivité” dia tsy “unanimité” tsy akory. Efa ela ry zalahy â !”, hoy hatrany ny filohan’ny Kongresy.

“Tany Maputo dia nilaza ny filoha Chissano fa nampandre an-dRatsiraka sy Ravalomanana izy fa handray anay hanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ka misy hafatra ve tianareo hampitaina amin-dRajoelina ? Ny an-dRatsiraka dia ilay soso-kevitra telo nambarany tamin’ny haino aman-jery iny no narosony fa Ingahy Ravalomanana no nanambara fa “izaho tsy manana hafatra fa avelao izahay hihaona aminy”. Rehefa nampitain’ny filoha Joaquim Chissano izany dia izahay kosa nilaza fa “tampoka be izany fa avelao aloha izahay hifampidinika”. Tsy nifanena mihitsy ny lalanay, araka izany”.

“Mikasika ny fanampiana ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny Kongresin’ny tetezamita, araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina teny Ivato, dia efa am-pikarakarana ny amin’izany izao saingy mbola misy dinika samihafa hifanaovan’ny mpanao politika mialoha izay. Izaho Raharinaivo manokana dia tsy nanambara ofisialy ny fitsipahako izany saingy mametraka mazava kosa fa misy ireo ankolafy sasantsasany niditra ao amin’ny fitondrana tokony hanana ny anjara toerany ao amin’ireo rafitra ireo. Ny ho be nahoana araka isa kosa no heveriko fa tsy dia tsara loatra”.

 
Nangonin’i Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT