Politique

Raharinaivo Andrianatoandro Ataon’i Andry Rajoelina hisarihana mpifidy


  • Alarobia 16 Febroary 2011

«Efa tena fanomanana fifidianana ny fiarahan’ingahy Raharivaino sy i Andry Rajoelina. Ilay nambara ho atidohan’ny mpametraka baomba indray ity no lasa mpiaro sy mpihoby ny FAT ankehitriny ary manakiana mafy ireo Ankolafy Telo».

Izay no nambaran’ireo mpanao politika nahita maso ny zava-nitranga tao Toamasina ny sabotsy 12 febroary teo, nandritra ny fandalovan’ny filohan’ny FAT sy ireo delegasionina notarihany, anisan’ny filohana andrim-panjakan’ny tetezamita nasainy manokana ny filohan’ny Kongresy, Raharinaivo Andrianatoandro. «Tsy hiandry ny tsy afaka isika, fa izay hiara-dia tsara, izay tsy vonona kosa aleo izy ho any mijanona ho mpanohitra. Tsy vitan’ny fifanenjehana ny raharaham-pirenena, ireo mpanenjika rahateo tsy maintsy aoriana foana. Tongotra mby an-dakana ny antsika, ka tsy miverin-dalana intsony», hoy ny teny ampahibemaso nataon-dRaharinaivo teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina tamin’io sabotsy io. Mbola nampiany koa fa «efa vonona amin’ny fifidianana rehetra ny fanjakana malagasy amin’ity taona ity».

Raha izay rehetra izay no zohina dia lainga afafy mba hisintonana ireo mpikamban’ny antoko Tiako I Madagasikara eny anivon’ny Faritra, Distrika sy Kaominina ary Fokontany ny filazan’ingahy Raharinaivo, fa «miara-dalana hatrany amin’ny fanohanana ny filoha Ravalomanana ny TIM tarihany. Ny marina dia hanamafisana ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina atsy ho atsy no ataony amin’izao fotoana izao», hoy ireo mpanara-baovao politika ao Toamasina, ary «hatao hofana na jono hisarihana ireo mpanara-dia tamin’ny filoha Marc Ravalomanana hanaovana ‘1er tour dia vita’ tahaka ny tamin’ny folo taona lasa no tanjona amin’izao fotoana izao eo amin’ingahy Raharinaivo sy Andry Rajoelina», hoy hatrany ireo mpanao politika namarana ny fanazavany raha nahita ny fiarahana tsy mampino eo amin’izy mianaka ireto.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT