Politique

Raharaha Rakotoarivelo «Kidnapping» politika !


  • Alakamisy 17 Martsa 2011

Tazonina ao amin’ny efitranon’ny Brigade Criminelle na BC an’ny polisy etsy Anosy i Mamy Rakotoarivelo nanomboka omaly rehefa avy natory tetsy amin’ny biraon’ny polisin’ny faritany izay nindramana birao vonjimaika tamin’ny fanadihadiana.

Toy ireny jiolahy ireny mihitsy ny fomba hitazomana azy satria ao anaty «cellule» no napetraka, araka ny fantatra. Ireo mpiambina azy sy ny mpamiliny ary ny mpiara-miasa akaiky iray aminy kosa indray dia nalefa etsy amin’ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalàna. Raha ny vaovao azo teo anivon’ny DST dia mety mbola ho elaela no hitazonana an’i Mamy Rakotoarivelo satria amin’ny maha goavana ny raharaha dia haharitra ny fanadihadiana. Mety ho 15 andro any, araka ny filazan’ny Me Hanitra Razafimanantsoa mpisolovava azy. Naverina hatramin’ny voalohany mantsy ny fanadihadiana satria nanjavona tao anaty ordinatera (hono) ny fitanana an-tsoratra nandritra ny nihainoana azy ny alin’ny talata teo. Endrika iray izay entin’ireo manazava izany fa hotazoniny ela arak’izay azo hatao io mpanao politika io. Tsotra ny antony, dia ny fanaovana antsojay azy rehefa tsy nety nanao sonia ny sori-dalana tetsy Ivato. Efa ela i Mamy Rakotoarivelo no nandrasan’ireo mpitandro ny filaminana «hafahafa» ireo saingy tsy tena hita mihitsy izay antony hitazonana azy avy hatrany.

Teto dia voalaza fa nanao «aveux» na niaiky ireo olona voasambotra ary nanonona ny anaran’io Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara sady mpitarika ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana io. Nampihomehy ny olona io famborahana izay nalefa tamin’ny fahitalavitra io satria mifanohitra ny ankamaroan’ny zavatra nivoaka ny vavan’izy roa lahy ireo. Hatramin’ny oviana i Mamy Rakotoarivelo no nitondra fiara ? Izy mantsy no nolazain’izy ireo fa nitondra ny fiara 4X4 mainty ka naka azy ireo teo akaikin’ny Magro Behoririka ary nitafa mivantana taminy. Nolazaina ihany koa fa nentina tamin’ny «sachet» ilay tariby mirefy 150 metatra izay nentina hampitana herinaratra hanapoahana baomba. «Sachet» iray ve dia omby fil 150 metatra ? Manarak’izay ihany koa dia nolazaina fa hanamboatra «convertisseur» no tena antony niantsoana azy roa lahy ireo. Raha ny filazan’ny manampahaizana anefa dia tsy mila herinaratra goavana izany ireny baomba ireny. 12 volts dia afaka mibaiko ny «déclencheur», araka ny filazan’ny manampahaizana.

Tokony hisy ny fihainoana ny olona manampahaizana manokana amin’ny fanadihadiana toy izao mba hampiala ny ahiahy. Manarak’izany, tsy mba nisy mihitsy ve ny «relevé téléphonique» mba hahafahana manamarina fa tena i Mamy Rakotoarivelo tokoa na tsia no niantso ireo roa lahy ? Maro loatra ny porofo tsy ampy ary betsaka ihany koa ny teny mifanipaka amin’ity raharaha ity. Ny Emmo-Reg moa dia niala bala avy hatrany raha nahita ny fanadihadidana tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ataon’ny andaniny. Omaly aza dia efa an-dalana hitondra ireo olona voasambotra eo anivony ho any amin’ny fampanoavana ireo zandarin’ny Emmo-Reg no niova hevitra tampoka ny Jeneraly Ravalomanana ka nanapa-kevitra fa omena ny DST avokoa ireo olona sy ny dosie eo am-pelatanany. «Ny DST manomboka izao no miadidy ity raharaha ity fa izahay dia manampy fotsiny ihany sisa», hoy io Jeneraly, izay tokony ho lehiben’ny fanadihadian io rehefa raharaha goavana toy izao, omaly. Fikasana hamono olona ary fanohintohinana ny filaminana anatiny ny fiampangana an’i Mamy Rakotoarivelo amin’ity raharaha ity.

Tetsy ankilan’izay dia nanamarika lafin-javatra maromaro ny Me Hanitra, mpisolovava an’i Mamy Rakotoarivelo. Voalohany, tsy fanao ny hoe raharaha iray dia sampana mpanao fanadihadiana roa samihafa no miandraikitra azy. Ka na raisin’ny zandary tanteraka na omena iandraiketan’ny DST manontolo. Faharoa, tsy voahaja ny zon’ny voampanga sy ny zo mahaolombelona ny olona arovany. Nambaran’ity mpisolovava ity fa tamin’ny fito ora hariva vao nanomboka ny fakana am-bavany an’i Mamy Rakotoarivelo nefa ora roa nialoha io dia efa nampiantso mpanao gazety ny DST ary nampiteny ny olona roa efa nosamboriny, mba hiampangana itsy mpanao politika itsy. Fahatelo, manana mariboninahi-panjakana ity farany, izay raha ny tokony ho izy, dia miaro azy tsy ho tanana anaty “cellule” na “violon” nefa tsy izay no mitranga. Fahefatra, manana olana ara-pahasalamana i Mamy Rakotoarivelo, kanefa dia notanana hatrany na mba nangataka ny hahafahany mody rehefa hariva aza ny mpiaro azy sy ny fianakaviany, ary miverina mamonjy ny mpanao fanadihadiana amin’ny fotoana ilana azy, saingy nolavina. Ho an’i Constant Raveloson dia “kidnapping” tsotra izao no fahitany izao zava-mihatra amin’i Mamy Rakotoarivelo izao.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT