Politique

Raharaha “Marais Masay” Nangina tanteraka …


  • Alarobia 18 Mey 2011

Mitarazoka ny fahitan’ny mpanara-baovao ilay raharaha fanapoahana baomba nikendry ny fiaran’ny filohan’ny tetezamita teny amin’ny Marais Masay.

 Nangiana tanteraka ilay raharaha ary tsy nisy intsony ny fampahafantaran’ny manampahefana ny zava-bitany teo amin’ny fanadihadiana natao. Raha hiverenana kely ity raharaha ity dia nisy ny fipoahan-javatra teny ny harivan’ny alakamisy 3 martsa, ka nifanandrify indrindra tamin’ny fotoana nandalovan’ny fiara mitomandavana nisy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina izany. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny manampahefana nahitana ny praiminisitra, ny talen’ny fiarovana tao amin’ny prezidansa, ny Emmoreg, ny polisy siantifika ary nambara tamin’ny mpanao gazety avy hatrany fa asa fampihorohoroana nikendrena ny fiara nitondra an’Atoa Andry Rajoelina no natao ary tena fifofoana ny ainy mihitsy.

Nihazakazaka ny fandehan’ny raharaha taorian’izay satria voasambotra avy hatrany ireo olona nambara fa nanamboatra sy nametraka ny baomba ary dia “niaiky” ireto farany taorian’ny fanadihadiana nataon’ny DST fa Atoa Mamy Rakotoarivelo no naniraka sy nanome vola azy ireo. Nalaina am-bavany ary tonga dia notazonina am-ponja vonjimaika avy hatrany ity Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara sady mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ity. Nivoaka ny toerana nitazonana izy ny 30 martsa 2011, ary nanomboka teo dia tsy re feo intsony, tsy mbola misy ihany koa ny fitsarana ary manjavozavo ny mety ho tohin’ny raharaha. Ny mahagaga ny mpanara-baovao anefa dia ny mbola hikarohan’ny mpanao fanadihadiana rehefa niaiky ny heloka sy nanondro mazava ny olona naniraka azy ireo nanamboatra sy nametraka ny baomba.

Nodradrain’ny DST anefa tamin’io fotoana io fa sarotra ho an’Atoa Mamy Rakotoarivelo no hiala amin’io fiampangana azy io satria tena porofo mivaingana sy fihaikena heloka no nataon’ilay nanondro azy. Mety ho sinema ny teny amin’ny Marais Masay sy ny fiaikena heloka nataon’izy mirahalahy, mba hahafahana fotsiny mampangina an’i Mamy Rakotoarivelo izay mpitarika ny ankolafy Ravalomanana izay sahy naneho hevitra henjakenjana sy nanakiana ny FAT. Efa tsy dia re feo intsony mantsy i Fetison Andrianirina tamin’izany fotoana, Raharinaivo moa dia efa namadika palitao tanteraka rehefa nahazo toerana, ka dia nisy indray avy eo ireo mpitari-tolona teny amin’ny Magro niditra tao anatin’ny governemanta. Ary raha ny fahitana ny zava-misy tato anatin’izay roa volana izay dia i Manandafy Rakotonirina indray izao no maka ny toeran’i Mamy Rakotoarivelo no sady misolo tena ny ankolafy Ravalomanana fa tsy dia hita tabilao intsony ireo mpitarika hafa. Mahita, arak’izany, ireo mpanara-baovao politika fa nahomby ny tetiky ny FAT ny amin’ny hampanginana mivantana, na ankolaka ireo mahitsy teny tao amin’ny ankolafy Ravalomanana, satria izay rehetra nataon’ny manampahefana fanadihadiana na niditra am-ponja vonjimaika dia nangina avokoa rehefa nahazo fahafahana vonjimaika.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT