Politique

Raharaha Madagasikara Ho fantatra anio ny hevitry ny Troďka SADC


  • Talata 15 Febroary 2011

Vaovao mikasika ny hanitsiana ilay sori-dalan’i Simao no nanombohan’ny Révérend Ndrianalijohn ny kabariny teny amin’ny Magro Behoririka omaly alatsinainy 14 febroary.

«Izaho koa dia namolavola sori-dalana vaovao ka hasehoko eto amin’ny alarobia izao», hoy izy. Nokianiny kosa ny tenin’i Andry Rajoelina tany Toamasian nilaza fa nanara-dia ny Malagasy ny Egyptianina. Tsy nisy fanonganam-panjakana tany Egypta, hoy ny Rév. Andriamanampy fa ny fidangan’ny vidim-piainana no napitroatra ny vahoaka. Mbola fampitam-baovaon’ny zava-nisy tany Toamasina koa no nentin’ny Depiote Camille Mektoub fa “tsy nahomby ilay perquisition tany Toamasina satria ara-dalàna ny maha mpanangom-bokatra azy”.

Mikasika ilay tsena notokanana indray dia fanomezan’ny Tetikasa Ambatovy fa tsy misy idiran’ny FAT. Mikasika ny politika ankapobeny dia nambaran’i Mektoub fa “na isika miverina Repoblika faha-3 dia miverina i Dada, na mamolavola lalàmpanorenana maro hofidiana amin’ny Repoblika faha-4”. Ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy kosa no nitondran’ny depiote Randrianjatovo Henri resaka, ka nilazany fa andrasana hatramin’ny anio ny fanapahan-kevitry ny Troïka eo anivon’ny SADC, mikasika an’i Madagasikara. Na izany aza dia nambarany fa efa manomana sori-dalana vaovao ny ankolafy misy azy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT