Politique

Raharaha Madagasikara Hivory maika ny SADC amin’ity herinandro ity


  • Alatsinainy 21 Febroary 2011

Fotoana manokana nifanakalozan-kevitra teo amin’ny mpitarika sy ny mpitolona hanarenana ny hoavy no nitranga teny amin’ny Magro Behoririka omaly alahady 20 febroary.

Fotoana nilazan’ny olona ny heviny sy ny hitany mba hampahomby ny tolona amin’ny ho avy. Tetsy andanin’izany dia nisy fihaonan’ny Vondron’olon-tsotra avy amin’ny Faritra samihafa eto amin’ny Nosy ihany koa tetsy Ambatonakanga, omaly tolakandro. Niditra an-telefaonina nivantana tamin’io fihaonana io ny Filoha Marc Ravalomanana izay nilaza mazava fa «Noho ny fahitana ny zava-nitranga tamin’ny sabotsy dia nanapa-kevitra ny SADC fa hivory amin’ity herinandro ity. Hamboarina ilay sori-dalana ka izay no mahatara ny dian’i Joaquim Chissano”, hoy izy. Nambarany fa rehefa ho avy i Chissano dia tsy maintsy hiaro an’i Simao satria mpiasany ity farany ary mpiray tanindrazana izy roalahy.

Mazava, hoy izy, ny taratasin’i Chissano na dia tsy mahafa-po aza ary milaza hoe “inclusif” sy “consensuel” kanefa dia tsy izay no anatin’ilay sori-dalana. Hentitra ny teniny nilaza fa «tsy iny no sori-dalana farany». Notsiahivin’ny filoha Ravalomanana tamin’ity fihaonana tao Ambatonakanga ity fa mpiasan’ny SADC i Chissano ary tsy maintsy manaraka ny torolalan’ny SADC. Avo lenta ny resaka ankehitriny, hoy ny filoha Ravalomanana. Nambarany fa hisy hetsika ara-diplaomatika hataony. “Tsy maintsy mahita lalana aho. Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany”, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT