Politique

Raharaha kolonely Charles Miteraka resabe ny tenin-dRazanamahasoa


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Mbola miteraka adihevitra be etsy sy eroa ny fanambarana nataon’ny ministry ny fitsarana Razanamahazoa Christine ny faran’ny herinandro teo. Maro be ny zavatra nolazainy fa singanina manokana amin’izany ny nitenenany fa mila araha-maso akaiky ny fahasalamana ara-tsain’ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina, izay nanao ampamoaka ny 05 janoary lasa teo ary nilaza fa nahazo vola mba hanonganam-panjakana izy tamin’ny 2009.

Raha adika mazava io tenin-dRamatoa ministra io dia tsy salama saina izany ity manamboninahitra ity mirediredy fotsiny. Dia ahoana izany ny amin’ny jeneraly Noel Rakotonandrasana izay nanohy ilay ampamoaka, sa efa mirediredy koa fa tsy mahazaka fiainana intsony ! Araka ny filazan’ny mpanao politika iray dia : « efa fomba fiady sy fomba fiteny ihany io nataon’ny ministry ny fitsarana io amin’ny toe-draharaha tahaka ireny satria efa tena halohalika ny ranom-bary». Ho an’ny mpanara-baovao politika sasany kosa dia mahita fa matoa nanao ireny ny ministry ny fitsarana dia tena nikorapaka tamin’ireo ampamoaka nataon’ny lietnà-kolonely Charles sy ny jeneraly Noël ny tao ambonimbony tao.

Ny fanontaniana mipetraka ary hiandrasan’ny maro valin-teny matotra izao dia ny hoe : inona ary ny fepetra horaisin’ny fitondrana tetezamita ? Hitsabo ireto lazaina fa tsy milamin-tsaina nanao ampamoaka ve sa vao mainka hampitombo ny fiampangana azy ireo ? Ho an’ny mpitolona iray eny amin’ny Magro dia tsotra ny fahitany ity toe-draharaha ity : «Ho an’ny FAT dia hendry ny komanda Charles tamin’ny 2009 satria nanampy an’i Andry Rajoelina, fa adala kosa izy amin’izao 2011 izao satria tonga saina tamin’ny tsy mety nataony».

Fa ho an’ny manamboninahitra iray, izay mbola am-perinasa kosa dia  : «Tokony ho lesona lehibe ho an’ny miaramila ireny, fa tsy mety ny fidirana lalina amin’ny savorovoro politika na tonga dia mijoro hanohana olona iray, satria rehefa vita izay nilan’io olona io anao, dia hivadihany tsotra izao ianao ary moramora aminy ny manapotika tanteraka anao. Amiko dia tsy natao hanao politika mihitsy ny miaramila ary tsy tokony hifampikasoka, na dia iray segondra fotsiny aza amina mpanao politika. Tsy maintsy mijinja izay nafafiny ny tsirairay ka aleo mba samy mandini-tena tsara izay vao manapa-kevitra, sao hanenenana any aoriana».

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT