Politique

Raharaha Fetison, Zafilahy ary Pasitera Edouard Mitodika etsy Anosy ny sain’ny rehetra anio


  • Alarobia 09 Febroary 2011

Anio no hivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha mahavoarohirohy an’i Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas sy ny pasitera Edouard Tsarahame.

Amin’ny valo ora maraina no hivoahan’izany ao amin’ny efitrano faha-2 etsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy. Nanomboka tamin’ny folo ora latsaka ny fitsarana, omaly, ary tsy nitsahatra raha tsy adiny telo sasany taty aoriana. Marobe toy ny mahazatra ireo olona, indrindra ny zanak’i Dada, tonga teny an-toerana na teo aza ny miaramilan’ny Emmo-Reg efatra kamio niampy 4x4 telo. Maromaro ihany koa ireo Parlemantera TIM, notarihin’i Mamy Rakotoarivelo Sekretera jeneralin’ny antoko sy mpanao politika maro avy amin’ny ankolafy telo, mba hanotrona an’izany.

Tsy nisy nahita anefa ny fahatongavan’izy telo mirahalahy izay novaina ny lalany mba tsy hahitan’ny olona sy ny mpanao gazety marobe azy ireo. Mbola nolavin’ny mpitsara ihany koa, fanineniny izay, ny fangatahana fahafahana vonjimaika izay napetraky ny mpiaro azy ireo. Raha tsiahivina dia tsy fanekena ny hiparitaka na dia teo aza ny fampitandreman’ny mpitandro ny filaminana, fandratrana sy fanapotehana fananan’olona ary koa famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana no antony hanenjehana azy telolahy ireo. Tsy nikorontana ny olona na dia nitabataba naneho ny alahelony aza omaly teny an-toerana.

Nilaza rahateo ny mpisolovava fa nandeha araka ny tokony ho izy ny fitsarana omaly ary manantena fa mba hafahana madiodio izy telo lahy. Raha tsiahivina dia efa roa volana katroka izay ireto mpitaritolon’ny ankolafy telo ireto no nogadraina tany Ambatolampy. Nanomboka tamin’ny 11 novambra 2010 izy ireo no notanana avy hatrany rehefa tonga an-tsitrapo teny Betongolo hamaly ny fanontanian’ny zandary ary nalefa teny Ankadilalana, niakatra fampanoavana avy hatrany avy eo notanana tao Antanimora, dia nalefa tany Ambatolampy. Tsy izay ihany aza fa novaovaina in-telo ny toerana nitazomana azy (Ambatolampy - Fianarantsoa – Vatomandry) ary nisy fotoana aza tsy hita izay nanjavonan’ireo noho izay antony izay. Ankehitriny dia mitodika tanteraka amin’ity didim-pitsarana ity ny sain’ny mpanara-baovao. Anisan’ny takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fifandeferana sy ny fanafahana ireo voafonja politika, hisian’ny fitoniana eto an-toerana …

 
r.d 

Tsy navela nojerena ny horonantsarin’ny Ma-Tv

Tsy navelan’ny fitsarana hojerena ny horonantsary izay nitranga tao amin’ny Malacam tamin’ny 10 novambra 2010. Io anefa, araka ny filazan’ny mpisolovava, no niaingan’ny fitorian’ny mpitandro ny filaminana. Maninona no tsy navela kanefa tamin’ny raharaha 7 febroary dia navela nojerena avokoa ireo horonantsary samihafa nandritry ny fotoam-pitsarana ? Nasongadin’ny Me Hanitra Razafimanantsoa izany taorian’ny fitsarana. Entiny hilazana fa tsy sahy avoaka ny marina noho ity raharaha ity izay fitsarana politika

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT